Auteur/autrice : Adnews

Fahafatesana mampiahiahy: Miaramila iray maty voatifitra tao anaty toby

Miaramila iray, avy namita iraka tamin’ny hetsika “Riri 2026” no maty voatifitra tao anaty toby, omaly. Voan’ny bala teo amin’ny tratrany sy teo amin’ny sandriny havia izy. Miaramila telo lahy nahitana porofo mampiahiahy. . Nipoaka tampoka ny basy tao amin’ny toby miaramila « Bataillon Infanterie Ihosy», omaly ma­raina tamin’ny 3 […]

Atletisma – Mada 2026: Tsy nisy ny zava-bita montsana

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ala­robia, ny fifaninanam-pirenena taranja atletisma, sokajy rehetra. Tsy nisy ny fe-potoana vaovao montsana saingy nisongadina ireo atleta vao nisondrotra. Teo amin’ny vokatra, norombahin’ny ligin’ Analamanga, ny voalohany ho an’ny fandrombahana ny me­daly volamena. Saika nisongadinan’ny atletan’izy ireo avokoa ny ankamaroan’ireo “épreuves” nifaninanana. […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio, any Maputo renivohitr’i Mozambique ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja tenisy, sokajy U12 lahy sy vavy. Enina mianadahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena ka telo lahy ary telo vavy. Mitarika azy ireo sady kapitenin’ny ekipa malagasy, i Aina Rafolo. Nanapa-kevitra ny filohan’ny UBMT, taranja […]

ASIEF : Tsy mihemotra ny fifaninanam-pirenena

Niravona ny savorovoro niteraka tsy fifankahazoana teo amin’ireo mpiasam-panjakana mpanao fanatanjahantena, ny amin’ny fifidianana filohan’ny Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonc­tion­naires). Tapaky ny rehetra fa notazomina ny daty hanatontosana ny fifaninanam-pirenena, hotanterahina any Ma­nakara ny 17 – 29 aogositra ho avy izao. Ankoatra izay, haverina ny fifidianana izay […]

Delta United Madagascar: Mifantina sy mitily ankizy mahay baolina

Miara-miasa amin’ny “agents recruteurs” any andafy ny Delta United Madagascar, taranja baolina kitra. Ankehitriny, manao fifantenana sy mitily ankizy mahay baolina izy ireo, halefa ho anaty ivontoeram-piofanana sy klioba any Eoropa. Nanomboka ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Esca Antanime­na ny fitiliana sy fifantenana ataon’ny ivontoeram-piofanana Delta United Madagascar, […]