Auteur/autrice : Adnews

Filohan’ny Fanavaozana: “Mahatantesa fiovana isika”

Maika amin’ny fanovana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. « Mahatantesa fiovana isika », hoy izy tetsy Anosy, omaly. “Mahatantesa fiovana isika”, hoy ny filohan’ny Fanavaoza­na, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny Anosy, omaly, ny nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fitaovana vaovao ara-kajy mirindra hiadiana amin’ny kolikoly atao hoe: “Torohy”, […]

Tselatra

Nitohy teny amin’ny orinasa Konecta Ambohi­man­gakely ny fandraisan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) fepetra mahakasika ny trangana fahapoizinana ara-tsakafo faobe, niseho afakomaly. No­giazana ny vata fampangatsiahana sy ny lakozia fikarakarana sa­kafo ho an’ny mpiasa. Ny mpikarakara sakafo ho an’ny mpiasa teny Ivandry ihany no nisahana ireo teny Ambohi­man­gakely. Nohidiana […]

Jly Razafitombo Maminirina Ely: « Tsy vitan’ny mitaky ihany ny fanavaozana… »

« Hampahafantarina ny tanora fa tsy vitan’ny mitaky ihany ny fanaovana fa mila fihavaozana ihany koa. Rehefa mitaky dia miara-mitolona. Inona no zavatra nataonao tao anatin’ny fitolomana », hoy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Maminirina Ely, nandritra ny fanokafana ny fivorian’ny komity mpanomana ny taom-pahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 marsa […]

Voaroban’ny jiolahy: vehivavy maty voatifitra teo amin’ny tenda

Nirefotra indray ny poa-basy tao Bazary kely Tanam­bao V, Toamasina, omaly atoandro. Namoy ny ainy, rehefa notifirin’ireo olon-dratsy tamin’ny alalan’ny basy, ny vehivavy iray mpiasa amin’ny toeram-pivarotana akora natokana ho an’ny biby fiompy sy fambolena. Hanakatona ny tsena izy tamin’io zoma atoandro, tamin’ny 11 ora sy 45 minitra, io. Nigadona […]