Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Any Mahajanga ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, miatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalao nasionaly ara-panatanjahantena an-tsekoly. Naharitra efatra andro izany lalao hatao an-drenivohitr’i Boeny izany. Tanjona ny fampiraisana ireo tanora avy amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy, hanehoana sy hitsirihana ireo talenta vaovao. Nanao hetsika tsy fankasitrahana ny sefo […]

Mpitondra sy ny Pretra : “Iraka iombonana ny asa fanompoana “

Nanome voninahitra ny la­mesa lehobe sy niaraka niombom-bavaka, tamin’ireo mpino tao amin’ny Akany Maharivo Ambositra, nandritra ny fanamasinana ho Pretra, ny Kolo­nely Rampanarivo Thierry, mpanolotsaina Avon’ny Fana­vaozana, no sady nisolo tena ny filohan’ny Fanavaozana. Nasongadiny nandritra ny fandraisany fitenenana fa iraka iombonana ny fanompoana, na ho an’ny pretra izany, na ho an’ny mpitondra. […]

Tsy hifandimby any am-ponja

Lasa nikopak’elatra any ivelany indray izany ny filoha sy ny delegasionina tarihiny. Nahazo fanasana manokana mihitsy izy amin’ny fety aman-danonana izay ho hatrehiny. Mazava ho azy fa fankatoavana tsy misy mihoatra izany. Manana ny toerana maha izy azy ny mpitondra malagasy. Manana ny lanjany diplaomasia an’ny Malagasy. Heni-kaja heni-boninahitra ny […]

Hosoka sy fanodinkodinam-bola… : Hotsarain’ny fitsarana tampony, i Sahondrarimalala Marie Michelle

Anisan’ireo voampanga amin’ny raharaha fanodikondinam-bola ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Hotsarain’ny Fitsarana an-tampony izy. Namoaka fampahafantarana ofisialy ny eo anivon’ny Pac, omaly fa anisan’ny voarohirohy amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ity minisitry ny Fanabe­azam-pirenena teo aloha ity. Ahina hahavoasaringotra ny filoham-pirenena teo aloha sy ny fianakaviany akaiky iray koa izany, araka […]