Nihotsaka ny tany tao amin’ny karieram-bato quartz, tany amin’ny fokontany Soakibany kaominina Ambahitahy, distrikan’i Bekily, faritra Androy, ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora. Mpitrandraka vato maherin’ny 10 no tototry ny tany tao anatin’izany. Tavela tany ambanin’ny tany efa maherin’ny 10 metatra izy ireo, raha ny fanazavana voaray. […]
Auteur/autrice : Adnews
Rocade Iarivo : Mpianaka niara-maty navadibadiky ny fiara
Nivadibadika ambony ambany ny fiara Volkswagen iray tetsy amin’ny Rocade Iarivo, Amoronankona, omaly maraina. Mpandeha roa tao anatiny maty tsy tra-drano. Enina hafa naratra mafy. Nandeha mafy ny mpamily ka tsy nahatana ny familiana rehefa tojo fiolahana ka nahatonga ny loza. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Rocade Iarivo, […]
Herinandron’ny Fianakaviana Sambatra : Hisy tolotra fandrindram-piterahana maimaimpoana
Hosantarina ny alatsinainy ho avy izao ny “Herinandron’ny Fianakaviana Sambatra” eto Antananarivo sy any amin’ ny faritra rehetra misy ny fikambanana. Hanamarika izany ny hetsika ofisialy eny amin’ ny foiben-toeran’ny fikambanana eny Ambatomitsangana. Eo koa ny fanadiovana faobe ataon’ny tanora avy amin’ny Centre des jeunes Andoharanofotsy eny amin’ny CSB II […]
VAOVAO TAMBATRA
Mpampiasa vola sy mpandraharaha maorisianina hatrany amin’ny 50 no ho tonga eto Madagasikara mandritra ny “Moris-Mada Business”. Hetsika ara-toekarena atao ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Maorisy amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo mpandraharaha, mpampiasa vola ary sehatra samihafa. Hampahafantarana an’ireo mpandraharaha maorisianina […]
GetHumancall: Hanohana ny mpianatry ny EPP
Nitondra fanantenana vaovao ho an’ny Sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) ao Ambodiafontsy Ampitatafika, ny hetsika nataon’ny GetHumanCall, amin’ny alalan’ny tetikasa Fandraisan’ andraikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana (RSE) nataony. Mandray mpianatra miisa 288, ampianarina mpampianatra valo, ny sekoly. “Avy amina fianakaviana sahirana avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra, misy amin’izy ireo no kamboty”, hoy […]




