Auteur/autrice : Adnews

Vono olona teny Anosizato Enin-dahy naiditra eny Tsiafahy

Tsy afa-bela ireo olona enina mirahalahy voatondro ho tompon’antoka tamin’ny vono olona teny Anosizato Andrefana. Niakatra fampanoavana omaly, notanana any Tsiafahy avokoa ireo enin-dahy tompon’antoka tamin’ny famonoana an’ilay mpiangaly gadon-kira mavesatra sady mpilalao sarimihetsika mala­gasy. Nitrangana vono olona mahatsiravina teny amin’ny fokontany Anosizato Andre­fana, ny alin’ny 1 oktobra lasa teo. […]

Taratry ny kanto

Hankalaza ny faha herintaona niorenany ny «Fahatsiarovana mamy». Hetsika kolontsaina sy zavakanto hotanterahina eny amin’ny Mankafy Cabane Ambohimanambola, ny sabotsy 24 oktobra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva. Ho hita eny an-toerana ireo kilalao taloha: vitsilia, sabaka, tsobato, zoera, course kapsily, dihimbazaha, sns. Hifanaraka amin’ny […]

Lalatiana: nigadona an-tanindrazana, hanolotra seho tokana

Ity vao tena izy! Tonga omaly i Lalatiana. Avy hatrany dia niatrika ny fikarakarana sy ny pitsompitsony rehetra amin’ny seho hotontosainy etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ity mpanakanto ity. Fotoam-bita tsy nahaleo ny sampona ny tamin’ny taon-dasa. Ity kosa, efa tena raikitra ary efa eto an-tanindrazana i Lalatiana. Vo­nona tanteraka hihaona […]

Sombim-baovao

Nanomboka ny talata lasa teo, teny amin’ny Kianja COT Ilafy, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ITF World Tennis Tour Junior – J30. Fifaninanana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 18 taona lahy sy vavy. Hanana ny lanjany izany satria sady hakana isa no hiadiana laharana eo amin’ny Federasionina iraisam-pirenena. Hotanterahina […]