Auteur/autrice : Adnews

Minisitry ny Atitany : “Tsy manakana ny dinika ny fanendrena sefo fokontany”

Anisan’ireo minisitra telo voalohany nifanatrika mivantana tamin’ireo depiote teny Tsimbazaza, omaly, ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Anisan’ny nitondrany valinteny ny momba ny sefo fokontany. “Ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny didim-panjakana: fanendrena lehiben’ny fokontany”. Io ny valintenin’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velon­jara Tiaray. Ny didim-panjakana talohan’izay, […]

TSELATRA

Mpampianatra lalàna iray naiditra vonjimaika eny am-ponja, omaly, rehefa avy niakatra teny anivon’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana. Voarohihory tamin’ny resaka fisolokiana milaza fa afaka mampiditra mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Tetibola izy. Efa nahazoany vola maro ireo olona voasolokiny. Miara-miasa amin’ny tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena ny tenany. Lehilahy iray tratra nitondra […]

“Port secteur III” Antsarakofafa : Hirosoana ny fanesorana ireo mibodo tany

Nidina ifotony nifampiresaka tamin’ny fokonolona voalaza fa mibodo ny tanin’ny Spat ao Toamasina, ao amin’ny “Port sec III” Antsarakofafa, ny OMC ( Organisation mixte de conception) izay nifandrombonan’ny Tafika sy ny polisy ary ny zandary, ny talata 27 mey 2026 teo. Tany voatokana hanaovana tetikasam-panjakana hiantsonan’ny fiarabe mpitatitra entana, manodidina […]

Tsena Petite Vitesse : Nandoro kodiarana, nitokona ireo mpivarotra

Niditra an-tsehatra nandrava ny fitokonan’ireo mpivarotra amoron-dalana eny amin’ny Petite Vitesse ny mpitandro filaminana sy ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina, tetsy Soarano, omaly. Naparitaka tamin’ny alalan’ny rano ireo mpivarotra nitokona teny Soa­rano, boriborintany voalohany, omaly. Naneho ny tsy fankasitrahany manoloana ny famindrana toerana azy ireo, nilanja sorabaventy, nitsoka kiririoka sady […]