Hifarana anio, any Dakar, Sénégal, ny fivoriana andiany fahavalo, “Forum Galien Afrique” miompana amin’ny fahasalamana. Mandray anjara avokoa ny mpitarika politika, mpikaroka, mpandraharaha ary ny tanora midinika ny lohahevitra “Zava-dehibe ny fahafahan’i Afrika misahana ny fahasalaman’ny mponina ao aminy”. “Hita taratra nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19 fa marefo ny […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Betsaka ireo trano may tany Mitriaky, kaominina Analapatsy, Fort–Dauphin, ny alin’ny 27 oktobra lasa teo. Levon’ny afo nandritra izany ny trano 97 tafo. Nihitatra haingana ny afo noho ny herin’ny rivotra teny amorontsiraka. May avokoa ny antsasaky ny tanàna. Olona 206 traboina. Renim-pianakaviana iray naratra, nandritra ny loza. Avotr’ireo fokonolona […]
Mpanakan-dalana : Taksiborosy roa voatafika, voaroba ny 2 tapitrisa Ar
Notafihin’ny dahalo miisa sivy, mirongo fitaovam-piadiana, tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, afakomaly alina, ny taksiborosy miisa roa. Nitranga teo Antananarivokely, atsinanan’i Bevilany, Maevatanàna, ny loza. Nanao sakan-dalana ireo dahalo ary nandroba ny mpandeha tao anatin’ny fiara. Novelesin’ireo olon-dratsy tamin’ny vodi-basy ny mpamily fiara ka naratra mafy. Ramatoa iray nipetraka teo alohan’ny […]
Antanimena : Lehilahy iray tratra namono olona
Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena, tetsy Antanimena, afakomaly. Voarohirohy noho ny famonoana olona niniana natao izy io. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisim-pirenena ny marain’ny 29 oktobra 2025 lasa teo, fa misy olona voadaroka sy naratra mafy eo Antanimena. Nidina nijery ny zava-misy teny an-toerana ny polisin’ny UIR, taorian’ny […]
Tsy fisian’ny lakana: Lehilahy iray maty an-drano tetsy Anosipatrana
Natelin’ny ranon’Ikopa tetsy Anosipatrana, afakomaly alina, ny lehilahy iray. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakany. Nahitana lehilahy iray maty an-drano, tokony ho 33 taona, tetsy amin’ ny ranon’Ikopa Anosipatrana, omaly maraina tokony hotamin’ny 8 ora sy sasany. Niampita sy nilomano izy no nilentika ka izao hita faty izao. « Niaraka niampita […]




