Auteur/autrice : Adnews

Tetikasa Produir: Tsy misy ny fanotorana tany

Nitondra fanazavana ireo tomponandraikitry ny tetikasa Produir sy ny Apipa, manoloana ny filazana fa manototra tany ny fiaraben’ny Tetikasa. Fanotorana tany vonjimaika no atao eny Namontana Anosibe, handehanan’ny fiara vaventy manala ireo fotaka, mialoha ny hitaterana azy any Iarinarivo Ambohidratrimo. Misy ny fahazoan-dalana manokana hanaovan’izy ireo izany. Satria tanimbary ny […]

Toekarena : 11% ny harinkarena faobe ny tahan’ny hetran’i Madagasikara

Ambany ny taham-pampidirana hetra eto Madagasikara, izay anisan’ny mamatsy vola anatiny ny tetikasa atao. Mahalana sady tsy mahafantatra ny fampiasan-ketra ny ankamaroan’ny Malagasy. «Mila ezaka ny fampitomboana ny hetra izay tsy mi­sy afa-tsy 11% ny harinkarena faobe monja», raha ny fanazavan’ny minisitry ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola vaovao, ny Dr […]

INDRAY MIJERY

“Betsaka ny nanana ahiahy fa tsy olon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena aho”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena vaovao, Dr Hanitriniaina Elis Karena, nandritra ny fandraisany fitenenana. Tao amin’ny fanabeazana no nandaniany ny fahatanorany ary teny anivon’ny Lycée Betioky Atsimo no niasa voalohany izy. Nanome toky izy fa tsy handiso fanantenana ireo mpiasa […]

Fampianarana : “Lasa takalonaina ny ankizy”, hoy ny ray aman-dreny

Lasa takalonaina ny zanaka malagasy mianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana hatramin’ny fiantombohan’ny fitokonana, ny 26 septambra ho an’ i Toamasina, raha efa miverina mianatra soa aman-tsara ny eny amin’ny sekoly tsy miankina. Ho an’ i Toa­masina manokana, ankoatra ny fitakiana ny hitovian’ny mpampianatra mpanabe manerana ny Nosy, mitaky ny fialan’ny lehiben’ny […]