Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Handao tanteraka ny tontolo politika ny filoham-boninahitra sady mpanorina ny antoko Asa vita no ifampitsarana (Avi), Ratsirahonana Norbert Lala, ary hamindra ny toerany amin’ny mpikambana amin’ny kongresy nasionaly. Efa filohan’ny HCC teo aloha izy, filoham-panjakana mpisolo toerana ary efa nirotsa-kofidina filohan’ny Repoblika ihany koa. “Vao nahazo Fahaleovantena i Madaga­sikara dia […]

Tsy miady an-trano!

  Mahavariana sy mampametra-panontaniana ny kajikajy politika misy amin’izao fotoana izao. Nivadika ho adilahin’ny mpitady seza sy ny samy mpitady korontana ny resaka momba ny « leo delestazy sy rano tapaka ». Ao dia mifandramatra sy mitady hifamono an-kitsirano ao, na ny mpomba na ny mpanohitra fitondrana, ao amin’ny tambajotran-tserasera. Angaha tsy […]

Fivoriamben’ny ONU : Mitondra ny feon’ny Sadc ny filoha Rajoelina Andry

Tsy misolo tena an’i Madagasikara fotsiny, fa ny firenena mandrafitra ny Sadc, ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Mitondra ny tenin’ny mpikambana mandritra ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny Firenena mikambana izy Hitondra ny feon’i Mada­gasikara ny filoha Rajoe­lina Andry amin’izao fivoriana faha-80 ataon’ny eo anivon’ny Firenena mikam­bana (ONU) any New […]

Houlder Mohamed Amédé : Laharana faha-47 amin’ny 55 maneran-tany

Somary ratsiratsy ny vokatra azon’ny Malagasy, nandritra ny fifaninanana ho an’ny tsirairay, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny taranja hazakazaka am-bisikileta, izay tontosaina any Rwanda. Laharana faha-47 amin’ireo 55 nandray anjara, i Amédé Houlder Moha­med. Nambarany, omaly, fa tena sahirana tanteraka ny tenany, noho ny tsy fitovian’ny fitaovana […]

SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’ny ekipazy Asacm, nisy an’i Mathieu sy i Herii Possible, nitondra ny fiara Subaru, ny andiany faha-22 amin’ny « Rallye Tour de Tana ». Fihao­nana notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. 1 ora 38 mn 49, 3 s ny fe-potoana vitan’izy ireo. Faharoa i Aro Kiady sy i Elvis (Asacm), tara 2 […]