Raha ny volana jolay no nantenaina fa hisy kely ny tsena. Nihena izany raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mbola misy telo volana ahafahana mametraka ny fanantenana, anefa, raha ny nambaran’ireo mpihiragasy. «Ny firenena iray manontolo sy ny fiainam-piarahamonina mihitsy no mandalo fahasahiranana, ka tsy mahagaga raha misy fihenany ny adin-kiragasy hita […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 22 ny feso na « dauphin » hita faty tany amin’ny Helidranon’i Besikidy, Nosy Hara, any amin’ny distrika Antsiranana II. Nahita azy ireo voageja tanaty ala honko, ny ekipan’ny Madagascar National Parks (MNP), nandritra ny fisafoana, ny 21 jolay teo. Ahina ho mety nitsoaka ny trozona mivezivezy an-dranomasina no nahafaty azy […]
Sadc: Hitondra aina vao ny Herinandron’ny indostria
Hatao ny 28 jolay hatramin’ny 1 aogositra ho avy izao, eto Antananarivo, ny hetsika « Herinandron’ny indostrian’ny Sadc » (SIW 2025), andiany faha-8. Mahatratra 400 ny mpandray anjara, avy amin’ny firenena 16 mpikambana ao amin’ny Tsenam-paritry ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc). Maherin’ny 50 ny mpiara-miombon’antoka sy mpanohana. Miisa 3 000 […]
Sady madio no salama
Raikitra izy ity! Afaka efatra herinandro dia higadona ny fihaonambe an-tampon’ny Sadc, izay hampiantranoin’i Madagasikara. Efa miha tomombana tsikelikely ny fanomanana. Anatin’ny fametrapetrahana faramparany ny komity mpikarakara. Ny mpiara-miombon’antoka raheto manao ranolava. Tsy misy diso anjara amin’ny fandraisana andraikitra ny manampahefana isan-tsokajiny. Manoloana izany indrindra, hiverina indray, manomboka izao, […]
Harena ambanin’ny tany : Liana amin’ny sehatry ny solika sy ny gazy i Indonezia
Vonona hampiasa vola eto Madagasikara ny mpandraharaha indoneziana. Andrasana ny fisokafan’ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao. Anisan’ny noraisin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny toeram-piasany Ampandrianomby, ny alatsinainy teo, ny delegasionina indoneziana. Nitarika azy ireo tamin’ity fitsidihana amin’ny fomba fanajana ity, ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena indoneziana […]




