Harena ambanin’ny tany : Liana amin’ny sehatry ny solika sy ny gazy i Indonezia

Vonona hampiasa vola eto Madagasikara ny mpandraharaha indoneziana. Andrasana ny fisokafan’ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao.

Anisan’ny noraisin’ny mi­nisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny toeram-piasany Ampandrianomby, ny alatsinainy teo, ny delegasionina indoneziana. Nitarika azy ireo tamin’ity fitsidihana amin’ny fomba fanajana ity, ny filoha lefitry ny Antenimieram­pirenena indoneziana sy ny solontenan’ny masoivohon’In­donezia eto Madagasikara ary ny mpanara-dia azy ireo. Nanatrika teo koa ny solombavambahoaka malagasy sy filoha lefitry ny Antenimie­randoholona ary ny tomponandraikitry ny Omnis. Fan­tatra tamin’ny fihaonana fa liana amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara i Indonezia, indrindra amin’ny sehatry ny solika sy ny entona na gazy.
Nankasitraka izany finiavana izany ny minisitra Ra­kotomalala Herindrainy, saingy nampahatsiahiviny, fa mbola tsy misokatra ny fanomezana fahazoan-dalana mom­ba ny solika sy ny gazy eto amintsika, taorian’ny fanafoanana fahazoan-dalana mi­isa 21 tamin’ny volana marsa 2025 teo. Nohazavainy fa eo am-panavaozana ny lalàna mifehy ireo sehatra ireo ny minisitera amin’izao fotoana izao. Mila jerena ihany koa ny toe-draharaha maneran-tany amin’ny lafiny jeopolitika, satria mitombo ny firenena sy ny orinasa iraisam-pirenena liana amin’ny fikarohana sy hanararaotra amin’ny fiseharana amin’ny solika sy ny gazy.
Fizarana ny vokatra mitovy lanja

Nomarihin’ny minisitra, fa anisan’ny fepetra hampiroboroboana ity sehatra ity ny fanitsiana ny fifanarahana amin’ny fizarana ny vokatra voatrandraka. Tanjona, ny hisian’ny fitovian-danja eo amin’ny fanjakana sy ny mpampiasa vola, mba tena hipaka any amin’ny vahoaka ny tombontsoa. Hisokatra avy hatrany amin’ny mpampiasa vola ity sehatra ity raha vao vita ireo fanavaozana ireo.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: