Hentitra ny filoha Rajoelina Andry manoloana ireo mitady fanakorontanana. Nohamafisiny tamin’ny lahateny nataony tany Toamasina, afakomaly, koa fa mila hajaina ny safidim-bahoaka. Fotoana hiandrasana ny valim-pifidianana ofisialy, avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) isika eto Madagasikara amin’izao. Ao anatin’ izany indrindra no tokony hitandroana hatrany ny filaminana sy […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, ilay lehilahy nanolan-jaza teny Iavoambony, kaominina Ambohimanga Rova. Nanamparany ny filan-dratsiny ny zazalahy misedra olana amin’ny fahasalamana, ny alin’ny 11 jona teo. Gisa velona miisa 9 niampy kapa sy kiraro nafatratra tao anaty gony, niampy bisikleta roa, hitan’ny zandary mpanao […]
Hetsika Dona : nalain’ny polisy ireo moto tsy ara-dalàna
Haharitra dimy andro, natomboka teo Andohan’Analakely, ny sabotsy maraina teo, ny hetsika “Dona” izay nentina indrindra mba hanamafisana ny fampiharana ny lalàna manoloana ireo fandikan-dalàna maro samihafa ataon’ny mpitondra moto. Miseho amin’ny endrika samihafa ny tsy fanarahan-dalàna hita teny an-toerana, toy ny fanaovana taingimbe, antontan-taratasina moto tsy ampy. Tsy fanaovana […]
Alakamisy Fenoarivo: Taxi-be nifaoka mpiantsena
Mpiantsena sy ankizy dimy niharan-doza voafaokan’ny taxi-be teny Alakamisy Fenoarivo, afakomaly hariva. Nandeha mafy ilay fiara mpitatitra ka nifatratra tamin’ny tsena amoron-dalana iray. Lasibatra tamin’izany ny renim-pianakaviana iray izay voa teo amin’ny faritry ny tongony sy ny lohany. Voadona niaraka taminy ny zazakely iray. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo […]
Sabotsy Namehana: zana-tsokatra 342 isa nariana amoron-dalana
Karohina ny tompon’antoka tamin’ny fanariana zana-tsokatra an-jatony teny amin’ny lalana mihazo ny kaominina Sabotsy Namehana, afakomaly. Efa nofonosina harona plastika, ahina ho saika nahondrana ireo biby arovana ireo. Hitan’ny zandary teo amoron-dalana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Vavafolo, fokontany Iadidiana, kaominina Sabotsy Namehana, ny sabotsy maraina tamin’ny 3ora sy 30mn […]