Nidinika teny Iavoloha, omaly, ny filoha Rajoelina Andry sy ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama. Nivoitra tamin’izany fa mijanona ho fananan’ny fanjakana ny orinasa, tsy hisy ny fandroahana mpiasa. Nitondra fanazavana ny filoha Rajoelina Andry mba hialan’ny ahiahin’ ny mpiasan’ny Jirama. Ny fanovana ny sata tsy midika ho fisintahan’ny fanjakana ao amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Nampahafantarina tao Antanimena, tamin’ity herinandro ity, ireo vondrona mpanabe ray aman-dreny miisa 23 avy eto Analamanga nahavita fiofanana. Tanjona ny hanentanana ireo ray aman-dreny mahakasika ny fanabeazana ny ankizy, ny fifandraisana sy fifampiresahana ao an-tokantrano. Eo koa ny tontolon’ny ankizy amin’ny ankapobeny hisorohana ny fandikan-dalàna ataon’izy ireo sy ny fiverimberenan’izany. […]
Fitantanana ara-niomerika : Entina hanatsarana ny asam-panjakana
Notanterahina teny Antaninarenina ny atrikasa fandalinana sy famolavolana ireo rijantenin-dalàna momba ny fitantanana ara-niomerika ny “équivalences administratives des titres et diplômes”. Tanjona ny hanatsarana sy hanamafisana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana sy fahazoana izany. Iarahan’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’asa sy ny Sampana misahana ny fitantanana ny […]
Logo vaovaon’ny skoto : Voafidy ny sanganasan’ Andriatahina Sedera
Andriatahina Sedera, Malagasy, no sangany tamin’ny fifaninanana fandrafetana ny logo, mari-pamantarana vaovaon’ny skoto aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ny volana marsa teo no natao ny antso ho an’ny skoto maneran-tany ho amin’ity fifaninanana ity. Nivoaka ny vokatra ka avy eto Madagasikara ny mendrika indrindra, tamin’ny alalan’Andriatahina Sedera. Nandray anjara tamin’izany ireo […]
Fiofanana momba ny Programme d’études (PE) : Tsy mbola nahazo toromarika ny sekoly tsy miankina
Vokatry ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara efa lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta, tsy “programme scolaire” intsony ny anaran’ny fandaharam-pianarana eny anivon’ny sekoly fa niova ho “programme d’études” (PE) izay hanaovana andrana ho an’ny Cisco 18 amin’ny Cisco 120 manerana ny Nosy. Tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny minisitera […]




