Auteur/autrice : Adnews

Analamanga Andrefana: Mpanazava Voronkely 300 isa nilasy

Natao ny 11 hatramin’ny 13 jolay teo ny lasy « Am-pitia » an’ny sampana Mpanazava Voronkely, teny amin’ny Kolejy teôlojika Ivato. Maherin’ny 300 isa izy ireo, 6 ka hatramin’ny 12 taona. Narahan’ny mpanabe « cheftaines » miisa 50 sy filoha ao amin’ny faritany Analamanga Andrefana miisa 30, nanamarihana ny faha-60 taona ny Voronkely sy […]

Rainjaza-Dadanaivo: Fianakaviana 150 isan-taona miantso azy hamora zaza

Raha efa mahazo vahana ny fora zaza mampiasa fomba vahiny, tsy vitsy koa ny fianakaviana miantso an’i Dadanaivo, rainjaza, izay mbola manao izany amin’ny fomba nentim-paharazana nefa koa mampiasa fitaovana maoderina. 35 taona nanaovana fora zaza amin’ny fomba nentim-pa­ha­razana i Dadanaivo. Moni­na ao amin’ny fokontany Ambo­hijato­vo, kaominina ambanivohitra Fe­noarivo (distrika […]

Loholona Lalatiana R.: “Tsy trosa ireo fiara nomen’ny sinoa”

Anisan’ireo nanatrika ny lanonana fanolorana ny fiara miisa 16 avy amin’ny fitondram-panjakana sinoa, omaly, teny Iavoloha, ny loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Nitondra fanazavana momba izany fanomezana izany ny tenany ka nilaza fa maimaimpoana izany. “Tsy misy tambiny ary tsy natao trosa mihitsy sao hamendrofendro indray ireo mpanita-dresaka matihanina”, hoy izy. Nanteriny […]

Fandraisana ny Sadc: Nanolotra fiara raitra miisa 16 i chine

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana ny fivoriambe iraisam-pirenena, Sadc, hatao eto Antananarivo. Na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa izany na koa ny fametrahana ny toeran’i Madagasikara aty Afrika. Natolotra omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Iavoloha, ireo fiara vaovao miisa 16, marika Hongqi H9, avy amin’ny Repoblika en­tim-bahoaka an’i […]