Saika mahabe resaka sy adihevitra mandrakariva ny hoe fanoherana. Nefa tsy azo ialana; eny, na tsy sata raikitra aza. Manana anjara toerana amin’ny fampandehanana ny demokrasia ny mpanohitra. Famakafakana… Eo amin’ny politika, manondro ireo hery rehetra mitsipaka ny fahefana misy ny mpanohitra. Na ao anatiny na ivelan’ny parlemanta izany. Mitana […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Lanonana tsy manam-paharoa. Hotanterahina ny sabotsy 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny « Salle polyvalente Iugm Ambondrona, ny fitokanana ny Sampana Mahajanga ho an’ny Fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Ampiarahina amin’io lanonana io ihany koa ny fandraisana ireo mpikambana ao anatiny. Antsa tononkalo, fanehoana ny dihim-paritra. […]
Sodokan’ny endrika ivelany: Maro loatra ny varo-draikiraiky amin’ny kanto
Ny anaran’ny sekoly, mampody mandry. Ny vokatra azo, mampisitri-belona. Ankehitriny, maro loatra ny varo-draikiraiky, fitaka sy tsy fahamatorana mianjady amin’ny fampianarana zavakanto. Vao maheno ny « intelo mianatra dia efa mahita vokatra » ny ray aman-dreny. Dodona sy maika handefa ny zanany hianatra zavamaneno, kabary, sary, sns. Mivadika ny volana, atao eny […]
Asa maha mpanoratra: Hisy atrikasa iarahana amin’i Nirina R.
Mpanoratra teratany malagasy, saingy miasa sy monina any ivelany, i Nirina Ralantoaritsimba. Handalo an-tanindrazana, hizara ny traikefany mahakasika ny tontolon’ny boky izy. Anisan’izany ny atrikasa izay hotarihiny ny sabotsy 19 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Mahakasika ny asa maha mpanoratra no hovelabelariny mandritra […]
« Génération 2000 », andiany fahatelo: Hiverina an-tsehatra koa ry Imagine, Eric Tahiana…
Hanjaka ny fahatsiarovana any ambadiky ny 20 taona lasa. Maromaro ireo mpanakanto nanana hira nanamarika ny taona 2000 no hiverina indray. «Ho feno fihetseham-po satria hihaona indray amin’ireo mpankafy anay taloha sy hatramin’izao », hoy i Fanja. Mandrafitra ny tarika Imagine miaraka amin’i Mamie izy, izay nalaza tany amin’ny fiandohan’ny taona […]




