Auteur/autrice : Adnews

Madagascar Airlines: Hifarana ny fe-potoam-piasan’ny DG

Hifarana ny 31 jolay izao ny fotoam-piasan’ny tale jeneraly (DG) ny kaompania Ma­dagascar Airlines, Thierry de Bailleul, araka ny nampahafantarin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa. Na izany, mbola dinihina ny mety ho hanavaozana izany. Nanamafisan’ny filankevi-pitantanana tao anatin’ny fanambarana nataony fa mitohy hatrany ny fanatanterahana ny drafitrasa Phénix 2030. Hamafisina hatrany ihany koa […]

Baolina kitra : Manana hatramin’ny 31 jolay ny FMF

Nomen’ny Kaonfederasionina afrikanina baolina kitra (Caf) fanemoram-potoana ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra FMF, amin’ny fandefasana ny anaran’ireo ekipa roa hiatrika ny fifaninanana afrikanina, ho an’ny taom-pilalaovana 2025. Raha tokony ho efa nifarana ny 30 jona lasa teo izany, manana hatramin’ny 31 jolay ny Malagasy. Tsiahivina fa vao ny fiadiana ny […]

Fanomanana ny “Chan” 2024 : Hitsapa ny fahaizany amin’i Bongolava ny Barea A’

Hanao fitsapam-pahaizana amin’ny ekipa voafantin’i Bongolava, any Tsiroanomandidy, ny sabotsy 19 jolay ho avy izao, ny Barea de Madagascar A’. Hivoaka amin’ny herinandro ho avy io ny lisitry ny mpilalao. Afaka iray volana sy tapany, izany hoe, ny 2 aogositra ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana afrikanina ho an’ireo firenena […]

INDRAY MIJERY

Nanao tatitra ny BNGRC fa efa miha midina ny tahan’ny olona mitondra ny valanaretina tazomoka any amin’ireo fokontany sasany ao Ikongo. Anisan’izany ny fokontany Tsaratanteraka, 8 km miala ny renivohitry ny kaominina. Olona 2 sisa no voatery tsy maintsy naiditra hopitaly ka ny iray nararin’ny tazomoka ary ny iray noho […]

PDC sy ny BNGRC : Nivoaka ny voka-pikarohana

Nandritra ny herintaona ny fikarohana nataon’ny Pacific Disaster Center-PDC Global sy ny BNGRC mahakasika ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza eto Madagasikara. Napaha­fan­tarina ny talata teo ny vo­katr’izany fikarohana izany. “Amin’ny alalan’ny fanombanana ifotony no hiaraha-miasa hametrahana fomba fiasa mifototra amin’ny fisorohana mba hanatsarana ny fiomanana amin’ny […]