Nanao fihetsiketsehana nataon’ny fikambanana Mazoto, ny herinandro lasa teo, nanohitra ny tetikasa Base Toliara. Niverina amin’ny laoniny ny filaminana, ary mitohy ny asa fampandrosoana. Tranga niniana natao. Nokorontanin’izy ireo ny asa fanarenana ny sekoly EPP Benetse, sy ny fanamboarana fotodafitrasa rano madio any Saririake, vatsian’ ny Fiarahamiasa japoney (Jica) ara-bola, […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Atrikasa fanadihadiana roa no natao tany Antsirabe momba ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika, izay mandrakotra distrika 32. Any Atsimo (16 distrika), Atsimo Atsinanana (11 distrika), ary faritra sasantsasany any Atsinanana (4 distrika) sy any Avaratra Atsinanana ( distrika tokana). Manampy izay ny tsy fanjarian-tsakafo mahasahana distrika 12 any Atsimo sy […]
Maison centrale Sainte Marie : Hahazo fiofanana arakasa ireo voafonja
Tontosa ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Sainte Marie, ny hetsika “Fijery Hafa”. Iray amin’ireo tetikasa entin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vahoaka izany. Eo koa ny ho fanohanana ny asa mendrika eny ifotony. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana […]
Ikongo : Tokantrano 4 000 nahazo fanampiana
Andro voalohany amin’ny fidinan’ny ekipan’ny fiadidiana ny Repoblika any Ikongo, omaly. Nisitraka fanampiana avy hatrany ireo tokantrano marefo maherin’ny 4000 any an-toerana. Ahitana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) izany. Nisahana ny fizarana izany ny avy amin’ny ekipan’ny fitaleavana misahana ny Raharaha sosialy an’ny fiadidiana ny Repoblika. Iraka avy amin’ny […]
Hetsika JMJC 2025 : Natao hanampy ny tanora sy hanajana ny hafa ny IA
Nomarihina tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra sy ny fampahafantarana ny tanora ny Saina voatran’olombelona (IA) ny Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora eo amin’ny niomerika (JMJC). Nivoitra tamin’ izany fa ahazoana tombony izany raha voafehy. Nambaran’ireo mpikarakara, ahitana ny Entreprendre Madagasikara, ny minisiteran’ny Asa, ny OIT, fa ahafahana mivoatra amin’ ny asa […]




