Auteur/autrice : Adnews

Muay Thai Oseana Indianina: Tafatsangana ny Kaomity, ao anatiny i Madagasikara

Tafiditra ao anatin’ny mpikambana mandrafitra ny Kaomity misahana ny taranja Muay Thai eto amin’ny ranoma­simbe indianina ny Malagasy telo. Tontosa tany Maorisy izany ny faran’ny herinandro teo. Vaovao mahafaly ny faha­vitan’ny fananganana ny Kaomity misahana ny taranja Muay Thai eto amin’ny ranomasimbe indianina, ny faran’ny herinandro teo. Tafi­ditra ao anatin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Handefa sarimihetsika hifaninana mandritra ny « Academy Awards » i Madagasikara. Araka izany, manao antso avo amin’ireo mpamokatra sarimihetsika ny kaomity misahana ny fisafidianana, mba handefa ny antontan-taratasiny. Alefa mailaka amin’ny malagasycinema@gmail.com ny mombamomba ny sarimihetsika sy ny trano mpamokatra maniry hifaninanana, mialoha ny 15 aogositra 2025. Ireo sarimihetsika lava nivoaka teo […]

Fifaninanana « Tafan-gilita » : Mpitendry 40 no hiatrika ireo mpitsara manaraka

183 no nandray anjara, 65 no tafakatra tamin’ny fijerena ireo « videos » nalefan’ny mpifaninana. Niatrika nivantana ireo mpitsara, nandritra ny dingana voalohany izy ireo, ny sabotsy teo. Ny hira izay na­taon’ireo mpifaninana tany amin’ny « vidéos » na nahalany azy ihany no naverina nandritra izany. Taorian’ny fise­drana ny sehatra nataon’ny mpifaninana rehetra, nivoaka […]

Randja -100 taona : Hisy fampirantiana ny sanganasany

Mitohy ny fampahafantarana. « Ilay poeta marolafy » no lohahevitry ny fampirantiana, izay hotontosaina etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, manomboka rahampitso 17 jolay, amin’ny 10 ora sy sasany maraina. Fampahalalana bebe kokoa hatrany an’i Randja Zanamihoatra, indrindra ireo asa sorany izany. Misy ireo nivoaka an-gazety tamin’izany fotoana, misy ireo voarakitra ho boky, […]

Fivelarana maha olona : Matahotra mampiasa talenta ny Malagasy ?

Mampiaiky maneran-tany, « manan-talenta ny Malagasy ». Tsy tokana fa maro saika isan-tsehatra. Samy ahitana io talenta io avokoa. Iray amin’ireny sady anisan’ny goavana indrindra ny zavakanto sy ny kolontsaina. Harena ny fahasamiha­fana. Hita eo amin’ny fananana talenta izany. Manan-talenta ny Malagasy. Amin’ny ampahany ihany, anefa, ny ahatazanana azy io. Rehefa eny […]