Auteur/autrice : Adnews

Kabeson’ny Ampanjaka Toera: Ho tonga amin’ny volana aogositra

Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, fa feno ny fepetra ary ara-dalàna ny dingana rehetra hirosoana amin’ny famerenana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. ”Amin’ny volana aogositra no hotanterahina izany. Efa misy ny fifandraisana amin’ireo fianakaviana ary miara-misalahy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny pitsopitsony momba ny kolontsaina amin’ny fanantanterahana […]

MEETFP Atsimo Atsinanana : Tsy eken’ny sendika ny talem-paritra vaovao

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikan’ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), Atsimo Atsinanana, ny herinandro teo. Nahitsy izy ireo manoloana ny fanendrena tomponandraikitra eo anivon’ny minisi­tera. Tsipahin’izy ireo ny fanendrena ny talem-paritra vaovao any Atsimo Atsinanana. “Takinay ny hanafoanana anatin’ny fotoana fohy ny fanendrena azy satria tsy mahafeno […]

Lasa hatramin’ny papay : Mirongatra ny asan-jiolahy ao Toamasina

Tsy mifidy hangalarina intsony… ! Koveta, siny, bidao anatazana ranon’olona na papay maniry eo an-tokotany aza lasan-dry zalahy. Izany no nitranga tao amin’ny fokontany maromaro ao Toamasina, omaly. Tsy laitra iainana intsony ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny asan-jiolahy mitam-piadiana raha tsy iresaka intsony ny fanendahana sy halatra isaky ny alina. […]

VAOVAO TAMBATRA

Mandeha ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13 (RN2), hitaterana ireo milina mavesatra ho an’ny famokarana herinaratra 105 MW avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Miara-misalahy ny fanatanterahana azy ny minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Milanja maherin’ny 60 hatramin’ny 70 taonina ny iray amin’ireo milina. Mamokatra trondro […]