Mitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ka nilaza fa ny fanabeazana ny tanora hahafahan’izy ireo misafidy malalaka sy am-pahamendrehana ny lafiny ara-pananahana no vahaolana mahomby. Andro maneran-tany ho an’ny mponina anio. Omeo ny tanora ireo fomba hanorenany fianakaviana araka ny safidiny ao anatin’ny tontolo marina […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Tonga teny amin’ny fitsarana Anosy, omaly maraina, ny fianakavian’ireo tanora namoy ny ainy vokatry ny fanapozinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza ny 14 jona lasa teo. Mitaky ny hamoahana ny marina momba io raharaha io izy ireo. Miantso ny fianakavian’ireo niharam-boina rehetra ihany koa hanao ny fitakiana. Lehilahy iray no voasambotry ny […]
Narahin’ny olon-dratsy efa-dahy : Lehilahy voatsatok’antsy teo amin’ny tavany
Naratra mafy voan’ny antsy nataon’ny olon-dratsy miisa efatra ny raim-pianakaviana iray tao Analatsiandry, kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fandriana Fisakana, ny alin’ny alakamisy 9 jolay teo. «Avy nivarotra tao an-tsena i dada sy i mama niaraka amin’ny zaodahiny”, hoy ny fanazavan’ny zanaky ny lasibatra. Niala sahabo 50 metatra ny tsena ka nanomboka […]
Ambohijanaka: Mpamaky trano tratra teny an-tanimbary
Voasambotry ny fokonolona sy ny zandary teny an-tanimbary, ny mpamaky trano iray tao amin’ny kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Niditra mangingina tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny Antovontany io lehilahy io, ny atoandron’io alarobia 9 jolay io. Nobatainy ny fahitalavitra. Nitsorika nivoaka avy hatrany izy. Tsikaritry ny mpiara-monina ny fihetsik’io olon-dratsy io. […]
Nivoaka ny didim-pitsarana : Hovosirina i Da-Willy, ilay mpanolana ankizy
Nilatsaka ny didy! Hovosirina, higadra hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny Andrinambinintsoa Johnny William na i Da-Willy. Nanolana zazavavikely vao enin-taona, teny Imerintsiatosika, ny harivan’ny 3 marsa 2024, izy. Niakatra teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahadimy, omaly, ny raharaha mahakasika ny fanolanana ankizivavy enin-taona tetsy Imerintsiatosika, ny harivan’ny alahady 03 […]




