Auteur/autrice : Adnews

Fahatapahan-jiro sy antony hafa: Mampiahiahy ny Jirama ireo tranga tato aho ato

Maro ny tranga niseho tato ho ato manodidina ny famatsian-jiro eto Antananarivo. Mampiahiahy ny fisehony, ka voatery manao fanadihadiana lalina iombonana ny mpitantana ny Jirama sy ny mpitandro filaminana. Nitondra fanazavana, omaly tolakandro, ny tale jeneralin’ny Jirama, ny jeneraly Rasolomanana Andriamalala Richard sy ireo mpitarika sendika ao amin’ny orinasa. Noresahina […]

TSELATRA

Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy 20 taona, maty natelin’ny ranomasina tany Nosy Varika, afakomaly. Tsiahivina fa lakana iray mpitatitra olona avy ao Nosy Varika hihazo an’i Mananjary no nidona teo amin’ny andrin’ny tetezana ka vaky sy rendrika. Mpianatra ao amin’ny Lycée manambina ary vao afaka fanadinana bakalorea tamin’ny […]

Nandroba 3 tapitrisa Ar teny Alasora : Olona efatra voasambotry ny polisy

Tohin’ny fanafihana nitranga tamin’ny tsena mpamongady iray teny Ambodivoanjo, kaominina Alasora, afakomaly hariva, izay navoaka teto. Olona efatra voasambotry ny mpitandro filaminana taorian’ny fanarahan-dia sy sakana nataon’izy ireo, omaly alina. Tazomina vonjimaika sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny Brigade criminelle Anosy ireo olona tratra hatramin’izao. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny […]

Tovolahy maty voatifitra ; Saika nodoran’ny olona ny biraon’ny polisy

Nikasa hanimba ny biraon’ny kaomisaria tao Ambohimahasoa ny vahoaka, omaly. Tezitra noho ny fahafatesan’ny tovolahy voatifitra izy ireo. Andaniny, voalaza fa saika hamaky trano ity maty. Ankilany, notifirin’ny polisy mamo izy. Nidina an-dalambe nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana ary nanao sakan-dalana ny mponina any Ambohimahasoa, omaly. Nirohotra nihazo ny biraon’ny […]