Auteur/autrice : Adnews

Televiziona: ampiasaina ny angovo avy amin’ny masoandro

Miditra dingana vaovao ny orinasa StarTimes, mampiasa ny teknolojia niomerika, ahazoan’ny mpanjifa ny fandaharana televiziona avoakany. Ampiarahana ny fisitrahana ny niomerika, ny angovo azo havaozina ho an’ny rehetra. Amin’ny alalan’ny sampana orinasa StarTimes Solar, izay mpanohana ofisialy ny Fifa amin’ny fandefasana ny lalao Tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba 2025 no […]

Ravinala Airports: loka iraisam-pirenena (ACA) fampihenana ny Karbôna

Nahazo ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena Airport Carbon Accréditation (ACA) sokajy 3, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be avy amin’ny Airport Council International (ACI). Tanteraka izany vokatry ny ezak’ity orinasa ity, nampihena ny fanapariahana ny entona karbona CO2 amin’ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina roa amin’ny fomba maharitra. Efa vitan’ny Ravinala Airports ny […]

Fifandraisan-davitra satelita: tafakatra 2 tapitrisa Ar ny famandrihana

Midangana ny saran’ny famandrihana apetraky ny orinasa fifandraisan-davitra avy amin’ny zanabolana iray. Fanapahan-kevitra, heverin’ny mpanjifa ho tsy fitsinjovana azy ireo. Maro ny mpanjifa nitaraina, hita anaty tambajotra sosialy, mahakasika ny fiovana tampoka ataon’ny orinasa iray manana tolotra internety amin’ny alalan’ny satelita. Mandray fanapahan-kevitra samirery, mampiakatra ny saran’ny tolotra, tsy misy […]

HJRA: nankaherezina ireo voapoizina

Tonga tetsy amin’ny HJRA, nanohana ireo olona narary vokatry ny famosaviana nandritra ny fety fankalazana tsingerin-taona nahaterahana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ny faraparan’ny herinandro teo. Olona 26 no nomena tohana nahitana fehezan-karona misy ireo vatsy sy nankaherezina tamin’ izany. Nisy koa ny vatsim-panahy netin’ny mpitandrina […]