Auteur/autrice : Adnews

Harendrina ô!

Ao anatin’ny herinandro fankalazana ny fetim-pirenena izao. Harendrina ô! Famoahana afo ny fanaovana harendrina izay fomba tranainy teo amin’ny Malagasy. Ny hariva mialoha ny andro fandroana sy ny fandroana izay famoahana afo izay. Tsy inona ny harendrina fa afo arehitra amin’ny bozaka voafatotra eny an-dohan’ny hazo lavalava entin’ny ankizy mandehandeha […]

Filohan’ny fitsarana, Rasololalao Hortense: “Mitovy ny fikirakirana raharaha eto aminay”

Naneho ny firaisankinany tamin’ny alalan’ny fomba fitafy sy ny maha izy azy isam-paritra ireo mpiasan’ny fitsarana, etsy Anosy ny herinandro teo. Fotoana koa io nanazavana ny fomba fiasan’izy ireo. Nambaran’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antana­narivo, Rasololalao Hortense tamin’izany fa tohin’ny hetsika ara-kolontsaina, nataon’izy ireo ny 2 jona lasa teo […]

Mpanakanto Sofia Goma: maty tsy tra-drano nandritra ny lozam-pifamoivoizana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tao amin’ny fidinana Ambohinahasondrotra Ambohimena, kaominina Am­binanifango, distrikan’i Man­dritsara, omaly alahady ta­min’ny 12 ora sy sasany atoandro. Fiara «Tracteur» iray nitondra fitaovana fanamafisam-peo an’ny mpankanto Sofia Goma na Randriatovo Yves-son Olivier io niharam-boina io. Nivarina tany an-kady misy lalan-drano ary nivadibadika ilay fiara. Maty tsy tra-drano vokatry […]