Nahazo ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena Airport Carbon Accréditation (ACA) sokajy 3, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be avy amin’ny Airport Council International (ACI). Tanteraka izany vokatry ny ezak’ity orinasa ity, nampihena ny fanapariahana ny entona karbona CO2 amin’ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina roa amin’ny fomba maharitra. Efa vitan’ny Ravinala Airports ny dingana roa voalohany amin’ny fampihenana ny karbona. Midika ireo, fa tafiditra ao anatin’ny filaharana iraisam-pirenena Top 10 amin’ny seranam-piaramanidina aty Afrika ny eny Antananarivo sy Nosy Be, sokajy 3 ACA.
Anisan’ny fahombiazana vita ny fametrahana fotodrafitrasa avo lenta sy angovo madio, nankatoavin’ny Orinasa ara-bola iraisam-pirenena (IFC) ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Eo koa, ny fanodinana ny fako ho lasa vokatra vaovao indray hiarahana amin’ny Andao Company sy ny STCV. Miampy ny fiarovana ny karazan-javamananaina sy ny fiarahana amin’ny vondrona olona.
Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, fa « manamafy ny fiarovana ny tontolo iainana hatao laharam-pahamehana ny fahazoana izao sokajy fahatelo izao. Izany rahateo ny tanjon’ny mpiara-miombon’antoka aminay, ny Meridiam sy ny vondrona ADP ».
Njaka A.




