Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Tranga hafahafa tsy inoan’ny saina mihitsy izany mandatsaka ain’olombelona izany noho ny fitiavan-karena sy fitiavan-tena ary fitiavana ny fiainan’izao tontolo izao. Nivoitra izany tamin’ny lahatenin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël tany Morondava, afakomaly tamin’ny fanamasinana ny eveka mpanampy hiasa any an-toerana. Nampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana, hanoherany ny tsy fahazoany fahafahana […]

Depiote Rakotoniaina Pety : “Vokatry ny kolikoly avo lenta ny fahapotehan’ny Jirama”

Mitohy ny fanaovana tatitra… “Ny fiandohan’ny fahapotehan’ny Jirama amin’izao fotoana izao dia vokatry ny kolikoly avo lenta sy ny kopaka isasahana nataon’ny mpitondra sy ireo sehatra tsy miankina tamin’izany fotoana izany”. Io indray ny fanaza­van’ny filohan’ny vaomieran’ny fanadihadiana parlemantera eo anivon’ny Antenimie­rampirenena, ny depiote Ra­kotoniaina Pety, teny Tsim­bazaza, omaly, ny […]

Mahamenatra

  Iaraha-mahalala sy miaina ny zava-misy eto Madagasikara, ankehitriny. Manjaka ny ratsy sy ny fifamonoana. Tsy misy andro iray ka mba hanginana sy tsy andrenesana zava-dratsy. Samy mampiaka-peo, milaza azy ho tompon’ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny avokoa izay manao fanambarana. Izay mivoaka na miditra dia milaza fa […]

Fiatrehana ny raharaham-pirenena : Nihaona teny Iavoloha ny filoha telo lahy

Nanatanteraka fihaonana teny Iavoloha, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, sy ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Maromaro ny lohahevitra nodinihina. Manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena, niara-nidinika tamin’ny Kly Randrianirina Michaël teny Iavoloha ny filoham-pirenena teo aloha, Ravaloma­nana Marc sy Rajaonari­mampianina Hery. Tsy nisy vaovao […]

Varotra fanafody tsy ara-dalàna: Nidina ifotony ireo tomponandraikitra

Ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka, notanterahina nandritra ny tsena Sabotsy, tao Ankadinondry, ny hetsika fanafoanana ny varotra fanafody ankalamanjana. Niara-ni­entana, tamin’izany, ny mpiasan’ny fahasalamana, ny kaominina ary ny Zandari­mariam-pirenena. Taorian’ny fampitandremana nomena ireo mpivarotra voakasika izany, herinandro mialoha, nidina ifotony ireo tomponandraikitra nijery sy nandray fepetra tamin’ireo izay mbola minia […]