Auteur/autrice : Adnews

Polisim-pirenena : Napetraka ny paikady aha­fahana manakaiky vahoaka

“Tsy mijanona fotsiny ho fitarainana ny paositry ny polisy fa natao ho fototra hanorenana ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny polisy. Sehatra ifampiresahana ahafahana mamantatra mialoha ireo olana miteraka tsy fandriampahalemana izy ireny”, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka. Misokatra ho an’ny rehetra, ho fitorohana sy fitarainana ary fampitam-baovao amin’ny […]

Ateltisma – Mada 2026 : Hifantenana izay hanao JIOI

Nambaran-dRandriamahazo Norolalao, filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny atletisma (FMA) tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Kianja Alarobia, ny zoma lasa teo, fa hotanterahina ny 31 jolay – 2 aogositra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny. Ny 7 – 9 aogositra kosa ny an’ny sokajy rehetra. Hanana ny lanjany lehibe izany satria hifantenana izay […]

Tenisy – “Davis Cup” : Tafakatra amin’ny vondrona fahefatra ny Malagasy

« Tanteraka ny fanamby! » Tafita ao amin’ny vondrona fahefatra amin’ny fifanintsanana Davis Cup aty amin’ny faritr’i Afrika ny ekipam-pirenena malagasy. Nahazoan’izy ireo izany ny fandresena, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipa nasionalin’i Gabon. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, somary sahirana teo amin’ny fihaonana voalohany ny Malagasy, rehefa […]

Baolina kitra – “Yas Coupe 2026”: Solontenan’i Madagasikara ho any Afrika ny FC Rouge

Fantatra fa ny ekipan’ny FC Rouge no hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ireo klioba. Resin’izy ireo tamin’ny famaranana ny ekipan’ny AS Ste Anne. Ny ekipan’ny FC Rouge izany no hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, “Coupe de la confédération Caf […]