Mahaleo, Lolo sy ny tariny ary Samoëla. Tamin’ny ankapobeny, ny mampiray ireo tarika ireo no nozaraina maro indrindra teny amin’ny ankalamanjanan’ny CCI Ivato, omaly, nandritra ny fampisehoana « Revirevy mody masoandro ». Anisan’ireny ny feon-gitara, tononkira mampita hafatra goavana be, revy… Nohamaroina ireo hira nohiraina niaraka. Nampanantena revy milay i […]
Auteur/autrice : Adnews
Rehefa ela tsy nifankahita… Nifamaly fitia Ny Railovy sy ny mpijery
Taona maromaro no tsy nahitana ny tarika Ny Railovy teny an-tsehatra. Omaly, nifampizara fitiavana izy ireo sy ny mpijery. Nampihetsi-po ny seho. Andaniny, « afaka hetaheta » ny mpijery. Ankilany, nahazo antoka ny tarika Ny Railovy fa mbola tena manana ny maha izy azy ireo hira noforonina tany amin’ ny […]
Fifandraisandavitra : Hosantarin’ny Yas ny tanjaka 5.5G
Nampahafantarina ny alakamisy 23 jolay teo ny andrana hampiasana ny teknolojia 5G Advanced (5.5G) eto amintsika. Voalohany mampiasa azy ny orinasa Yas Madagasikara ary fahefatra maneran-tany, aorian’ i Emira Arabo Mitambatra, Maorisy, Afrika Atsimo. Midika izany fa anisan’ny sangany amin’ny tontolon’ny fifandraisandavitra ity orinasa malagasy ity ary miara-miombon’antoka amin’ny Huawei. […]
Maevatanàna : Nogiazana ireo fitaovam-pitrandrahana volamena
Tratran’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany, ny 19 jolay teo, ny teratany vahiny nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany amin’ny fokontany Marotalona, kaominina Antsiafabositra, distrika Maevatanàna. Nogiazana ireo fitaovana fitrandrahana volamena goavana nampiasain’izy ireo. Mampiasa milina vaventy mihitsy ireo mpitrandraka toy ny fandavahana tany (tractopelles), ny fanivanana ny volamena, sns. Miisa telo […]
Karazan-javamananaina : Ahitana rohivoahary marolafy ny CMK Mahavavy-Kinkony
Midadasika, mitotaly 350 824 ha ny Vondrona faritra arovana Mahavavy-Kinkony (CMK) any amin’ny faritra Boeny. Mampiavaka azy ny fisian’ny rohivoahary samihafa, toy ny ala maina matevina, ny faritra mando an-tanety (farihy sy renirano) sy an-dranomasina, ny ala honko, sns. Ao anaty sokajy fahadimy, araka ny fandaharana iraisam-pirenena IUCN, Faritra Arovana […]




