Taranja manavanana ny Malagasy ny tsipy kanetibe. Efa fanta-daza maneran-tany i Madagasikara, noho ny zava-bitan’ireo mpilalao. «Ilaina fitiavana sy fikirizana izany», hoy ny ampahany amin’ireo efa tompondaka maneran-tany nanaovana fanadihadiana. - Randrianandrasana Jean Jacky, anisan’ireo Malagasy mpilalao tsipy kanetibe nandrombaka voalohany ny anarana maha tompondaka maneran-tany ho an’olon-telo, niaraka tamin’ Andriantseheno […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampirantiana: Mampita hafatra maro ny « Carte blanche »
Nosokafana tao amin’ny « Maison social de l’art » (MSA) etsy Ambatovinaky, ny faran’ny herinandro teo, ilay hetsika kolontsaina nampitondraina ny lohateny « Carte blanche ». Tamin’ny alalan’ny sanganasany no nampitan’ireo mpanakanto mandray anjara ny hafatra ho an’ny rehetra. Anisan’izany ny saripika nalain’i Ampelagie maneho ny herim-po ananan’ny vehivavy. Vehivavy telo miaraka mitoto vary […]
Yvette Rabetafika : Nodimandry teo amin’ny faha-83
Misaona ny tontolon’ny fampianarana rehefa namoy ny ainy teo amin’ny faha-83 taonany i Yvette Rabetafika, omaly. Vehivavy voalohany nahazo ny mari-pahaizana ambony momba ny teny anglisy teto Madagasikara, tamin’ny taona 60, izy. Nampiavaka azy rahateo koa, ny nahavoatendry azy ho ambasadaoro teo anivon’ny Unesco. Niainga tamin’ny fampianarana teny anivon’ny Lycée […]
Akom-pahatsiarovana an’i Jerôme Randria : Nifamatotra akaiky ny mpijery sy ny mpanakanto
Mpanakanto samy nanana ny tany nitsimohany no namelona indray ny tsiahy ho an’i Jerôme Randria. Na izany, tsapa fa nahay nampiaina ireo hira noforoniny na nohirain’ity andrarezina ity izy ireo. Nanie, Nini (Kiaka), Inah, Thony Chriss (zanak’i Railôla) ary ny tarika Railôla, nanafana ny sehatry ny CCEsca Antanimena, omaly tolakandro. […]
FANTINA sy FINTINA
Nahitsy ny prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, fa tsy ilaina ny maneho hevitra an-dalambe manoloana ny teknolojia amin’izao fotoana izao. “Efa hery faharoa amin’ny fanehoan-kevitra ireny tambajotran-tserasera ireny. Fanakorontanana ara-politika io fitadiavana hidina an-dalambe io ka tsy maintsy mailo ny prefektiora”, hoy izy. Nankasitraka ny filoha Rajoelina Andry ny depiote […]




