“Tsy fotoana famerenana na fianarana intsony ny anio ho an’ireo mpanala fanadinana CEPE”, hoy ny mpanabe. Fandaminana ny fitaovana sy ny taratasy fiantsoana miaraka amin’ny karatra maha mpianatra no tena zava-dehibe. Mila fiomanana koa ny fitaterana hisorohana ny fahatarana eo am-pidirana. Rahampitso talata no hiatrika ny fanadinana CEPE ny mpiadina […]
Auteur/autrice : Adnews
« Fetiben’ny haiady »: Nampiseho ny fahaiza-manaony ny FDS
Natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny sabotsy teo, ny fetiben’ny haiady nokarakarain’ny eo anivon’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS). Tanjona ny hanehoana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo anivon’ny FDS satria tafiditra ao anatin’ny kolontsaina miaramila ny fifehezana ny haiady, araka ny fanazavan’ny filohan’ny komity mpanomana ny fankalazana […]
«Échec» – maneran-tany : Tao anatin’ny ekipa afrikanina i Fy Antenaina
Notontosaina ny 11 hatramin’ny 15 jona teo, tany Londres, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Échecs (Blitz & Rapide). Tsy diso anjara i Madagasikara, fa nanana solontena, tamin’ny alalan-dRakotomaharo Fy Antenaina. Anisan’ny mpilalao nandrafitra ny ekipa afrikanina mantsy izy tamin’ity fifaninanana ity. Teo amin’ny vokatra kosa, laharana faha-29 ny ekipa […]
DAKA AN-JORONY: Aza manao soro-baton’ilay jamba
Matetika rehefa manao zavatra ny federasionina na ny ligy, eny hatramin’ny seksiona aza, toa tsy mijery lalana hany ka toa manao soro-baton’ilay jamba, voa vao mihilana. Ny jamba rehefa mandeha, tsy mahita izay eo anoloany, rehefa midona amin-javatra vao mahalala mivily. Raisina ho toy izany ny zava-misy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena […]
« Cosafa 2025 » :Tsy mbola afa-bela tamin’i Comores indray ny Barea
Nody an-tanam-polo ny Barea de Madagascar, izay notarihan-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, tamin’ity fifanintsanana “Cosafa 2025” ity. Lavon’i Comores, 1 no ho 0, i Madagasikara. Resy indray! Nionona teo amin’ny laharana fahefatra, nandritra ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsimo, “Cosafa 2025”, izay natao tany Afrika […]




