Voasambotry ny zandary avy amin’ny borigadin’Ambohimalaza, afakomaly, ny ray aman-drenin’ilay zaza menavava notsatohana hety teo amin’ny tendany, ny zoma lasa teo. Tratra teny Ambohimalaza ilay renim-pianakaviana, raha toa ka teny Andranovao, kaominina Ambohimangakely, ilay raim-pianakaviana, raikely, fa nanoratra ny anarany tao anaty kopian’ny zaza. Bevohoka fito volana ny renin’ilay zaza […]
Auteur/autrice : Adnews
Ambodimita : Vehivavy 71 taona nahatrarana vola sandoka
Vaviantitra 71 taona nahatraran’ny polisim-pirenena vola sandoka teny Ambodimita, boriborintany fahenina, ny alakamisy 12 jona teo. Mitety tsena, mody mividy zavatra no fomban’ireo olon-dratsy manaparitaka io vola sandoka io. Niandry andro ho maizimaizina, nilaza hametraka vola mitetina 320 000 Ar ho ao anaty findainy teo amin’ny Cash point iray io ramatoa […]
Olona telo hatolotra ny fampanoavana : Lehilahy notrobatrobarana tamin’ny zava-maranitra
Maty novonoin’ny mpiray tanàna taminy ny raim-pianakaviana iray, tamin’ny alarobia teo. Olona telo voasambotry ny zandary. Hiakatra fampanoavana anio ireto ahina ho tompon’antoka. Hatolotra ny fampanoavana anio, ireo telo mianadahy voasaringotra tamin’ny vonoan’olona tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Alakamisy Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo. Voatsatoka vy maranitra teo amin’ny tratrany sy ny tendany […]
Eric Mpanamboatra Lokanga
Toekarena manga : Hamafisina ny fiaraha-miasa maharitra
Hamafisina ny fiaraha-miasa misy sy iraisan’ny rehetra, havaozina ireo paikady enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ary hahetsika ny famatsiam-bola maharitra sy mitombina. Nivoitra ireo nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Tilahy Désiré, tamin’ny fikaonandoha fahatelon’ny Firenena mikambana mahakasika ny ranomasina (UNOC3), natao tany Port Lympia, Nice […]




