Ato anatin’ny fiomanana amin’ny fetin’ny Paka isika izao. Hanao hetsika fanaraha-maso ny fitaterana (fiara sy moto) ireo tomponandraikitry ny fitaterana rehetra eto amin’ny Nosy, manomboka izao, raha ny fampahafantarana nataon’izy ireo omaly, tetsy Anosy. Arahi-maso ny fiaingan’ny fiara eny amin’ny toeram-piantsonana sy ny eny an-dalambe rehetra eny. Hisy ny fitsapana […]
Auteur/autrice : Adnews
Praiminisitra Ntsay Christian : “Hatsaraina ny fitantanana ny harem-pirenena”
Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa ananan’ny fanjakana petra-bola ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, tetsy Anosy. Nisy hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Nambarany fa tokony ho fanoitra lehibe hampandrosoana ny firenena ireo orinasa ireo, ka nanentanany ny rehetra ny hananana fanoloran-tena iombonana amin’ny fitantanana mahomby. Tokony hangarahara ary miompana indrindra amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Mandritra ny Herinandro nasionaly ho an’ny rano, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, hampiranty ny voka-pikarohana ny Foibe efatra ao anatin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa: INSTN, CNRE, CNRIT ary CIDST. Hanomboka androany ity hetsika ity, hanasana ireo liana momba ny fampahazoana rano sy ny manodidina izany. Hifarana ny […]
Fitaovam-pandrefesana ny habaka: Hanatsara ny fitiliana ny tetikasa Soff
Nampahafantarina omaly, teto Antananarivo, ny tetikasa Soff, izay hampiasana ireo fitaovana vaovao entina manatsara ny fitiliana ny singa mandrafitra ny toetr’andro eto Madagasikara. Hapetraka ny fitaovana miisa 11manerana ny Nosy amin’ ireo toerana misy ny fitiliana mahakasika ny toetry ny andro. Fitaovana mahaleo tena ahafahana mamantatra ny toetoetry ny atmosfera […]
Kaominina Vohibato : Notokanana ny Lapan’ Ampela Miray Hina
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny Lapan’Ampela Miray hina ao amin’ny distrikan’i Vohibato, faritra Matsiatra Ambony. Fiaraha-mientan’ny fikambanam-behivavy ao an-toerana no nahafahana nanangana ny fotodrafitrasa. Nanampy tamin’ny fampitaovana kosa ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Toerana ahafahan’ny vehivavy mivory sy manao fampianarana ary mamolavola tetikasa ny Lapan’Ampela. […]