Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Mifototra amin’ny fanajana ny fahasamiha­fana ny demokrasia, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Ani­san’izany ny fiaviana, finoana, taona, ny fanajana ny hevitry ny hafa… « Manana soatoavina harovana isika, ka anisan’izany ny fanajana sy ny fitsinjovana ny ray aman-dreny sy ny zokiolona », hoy izy. Ho hentitra ny sazy […]

Filohan’ny Antenimierampirenena : “Mitaky ny hanasaziana izay tsy mahomby”

“Mitaona ny Praiminisitra izahay handray fepetra ho fanoloana ny tomponandrai­kitra voatendry rehetra izay tsy mahomby sy tsy mahavita ny andraikiny ary hanasazy ireo izay mbola manao koli­koly sy mangalatra ny harem-pire­nena eo am-panatanterahana ny asany”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimie­ram­pire­nena, Randrianaso­loniaiko Siteny, nanomboka ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampi­re­nena, teny Tsimbazaza, […]

Hafahafa, mila tony

  Ohatra ny hoe mafampana tsy hay atao ahoana izany ilay raharaham-pirenena. Ny eny Tsimbazaza, milaza ny hanao ny hataony. Ny eny Mahazoarivo, tsy hay mazava na hoe ho soloina na tsia. Samy mihazoazo, tsy hay mazava hoe manao inona na iza no manao inona. Ohatra ny efa misamboaravoara sahady […]

Kly Randrianirina Michaël : « Hohadihadiana ny fitantanana ny volan’ny Faritra »

Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra rehetra eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly. Nisy ny toromarika nomeny tamin’izany. Nambarany fa maromaro ny faritra nahazo fa­nam­piana sy fanohanana na koa vola tamberim-bidy avy amin’ny fanjakana. Hen­titra ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblika ary nitodika tamin’ny Praiminisitra ma­no­­loana izany. « Ilaina fanaraha-maso […]