Auteur/autrice : Adnews

Fiarabe sy moto nifandona : Mpivady niara-maty notetezin’ny kodiarana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, afakomaly tamin’ny 02 ora sy 40 minitra tolakandro. Nifandona mafy teo amin’ny sampanan-dalana mivily mankany Ambatovy sy lalana migodana Tanandava ny moto sy ny fiarabe. Noho ny hamafin’ny fifandonana, nipitika avy teny ambony moto ireo mpivady ka nitrosona mafy tamin’ny arabe, avy […]

Alasora : Dahalo miisa 8 nanafika tranombarotra iray

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny Ambo­hidrazaka, Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, oma­ly alina. Jiolahy manodidina ny 5 hatramin’ny 8 teo ireo tonga nanafika tranombarotra mpamongady iray teny an-toerana. Mirongo fitaovam-piadiana toy ny basimborona sy antsy ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana voaray. Nanapoaka basy indroa ireo jiolahy ireo nandritra izany. Tao anaty haizina tanteraka […]

Famonoana an’i Sahala : Mpifankatia sy lehilahy roa nanatanteraka ny sorona

Fantatra fa mpifankatia no niara-namono an’i Sahala. Niray tsikombakomba taminy ny lehilahy roa hafa. Nirahin’ny mpimasy iray izy ireo ary nokaramaina nitady zazavavy atao sorona ka i Sahala no tojo azy ireo. Taorian’ny filazan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madaga­sikara, Randrianirina Michaël, fa maty natao sorona i Sahala Fanekena, zazavavy 14 […]