Auteur/autrice : Adnews

“Iray volan’ny teny malagasy” : Nivoaka ny “Ndao hahitsy ny diso” sy ny “Alô hianatra fitenim-paritry”

Boky roa, hanampy ny fampiasana ny teny malagasy andavanandro. Ireo no tsangambaton’ny fanamarihana ny “Iray volan’ny teny malagasy”, navoakan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Mampiasa amin’ny tokony ho izy ny teny mala­gasy ve isika? Ny tsirairay no samy mamaly izany any an’eritreriny any… Fa ny azo antoka aloha dia tsy […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 16% na koa 602 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola vahiny (IDE) teto Madagasikara, ny taona 2024. Niakatra io taha io raha oharina ny tamin’ ny taona 2023 izay 519 tapitrisa dolara. Anisan’ireo mahasarika ireo mpampiasa vola vahiny eto amintsika ny sehatry ny fambolena, ny fizahantany, ny angovo, ny teknolojia ary […]

Tetikasa Agropole : Velaran-tany 250 ha any Manjakandriana

Hatomboka any amin’ny kaominina Ambohibary Manja­kan­driana, ny tetikasam-pambolena sy fiompiana goavana “Agropole” ho an’ny faritra Analamanga. Mirefy 250 ha ny velaran-tany hatokana amin’izany. Nilaza ny ben’ny Tanàna (antoko Fivoi), ny Dr. Ratsimanetrimanana Fenosoa, nandritra ny fitsidihana tany an-toerana, ny 3 jona teo, fa “resy lahatra tanteraka amin’ny tetikasa Agropole. Maro […]