Nitondra fanazavana ary namaky bantsilana ny fanodinkodinam-bola ao amin’ny Antenimierandoholona ny filohan’ ity Andrimpanjakana ity, ny Jly Ravalomanana Richard. «Tena misy io. Izaho no nangataka ny mpanao famotorana tao amin’ny Toby Ratsimandrava : mangataka fanokafana fanadihadiana». Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Nitrangana haintrano indray teny Ambohimanarina ampitan’ny tsena, omaly maraina. Antso vonjin’ny ankizy no nanaitra ny manodidina. Niredareda ny afo izay voalaza fa niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra. Tokantrano enina, monina ao anatin’ny trano telo, hotohoton’ny afo. Nifanampy tamin’ny famonoana ny afo ny mponina manodidina. Tsy nisy ny aina nafoy. Mpitondra […]
RN7: Miverina miaina anaty tebiteby ireo mpandeha
Vaky ny fitaratry ny taksiborosy iray mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo, vokatry ny asan-dahalo teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma 30 mey. Nosakanan’ny andian-dahalo am-polony tamin’ny alalan’ny vato sy hazo teo amin’ny 10 km tsy hidirana ny kaominina Vohiposa, distrikan’Ambohimahasoa, io fiara io. “Nahare horakoraka sady […]
Tsy hita roa herinandro : Ramatoa hita faty tanaty lavaka
Renim-pianakaviana 47 taona hita faty tao anaty lavaka mirefy 20 m tao amin’ny fokontany Memangoraka, kaominina Mangatany, distrikan’i Fenoarivobe, ny 27 mey teo. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany ao an-toerana ny zandarimaria momba ny fisiana fatin’olona hita. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny CSB II ao Mangatany sy […]
Voalaza ho mpangalatra : Lehilahy matin’ny mpianatr’Ankatso II
Niharan’ny fitsaram-bahoaka teny amin’ny faritry ny trano fonenan’ny mpianatra Ankatso II ny lehilahy iray. Nikasa hangalatra sy hanao sinto-mahery izy sy ny namany efatra hafa saingy tratran’ny olona. Tavela teo amin’ny kianja fanaovana basikety teny an-toerana ny razana omaly maraim-be. Lehilahy manodidina ny 25 taona, hita faty teo amin’ny kianja […]




