Auteur/autrice : Adnews

Teo an-tokotanim-piangonana : Hita tany anaty ala ilay moto nisy nangalatra

Mirongatra ny halatra fiara sy moto amin’izao fotoana izao. Moto scooter BWS iray indray nisy nangalatra teo an-tokotanim-piangonana eny Talata Volonondry, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Napetraky ny tompony vetivety teo an-tokotanin’ny fiangonana iray eny an-toerana ny moto fa hiditra anaty sekoly izy, tamin’io fotoana io. Tsy teo intsony anefa […]

Haintrano tetsy Tsarahonenana : Raim-pianakaviana maty kilan’ny afo

Namoizana ain’olona ny haintrano nitranga tetsy amin’ny fokontany Tsarahonenana, omaly maraina. Tokantrano 12 lasibatra. Raim-pianakaviana 75 taona namoy ny ainy, hotohoton’ny afo tao amin’ny trano fonenany, tao amin’ny fokontany Tsaraho­nenana, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Niainga tamin’ny tsena fivarotan-kazo iray ny firehetana. “Niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny afo, tokony ho […]

Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Lasan-dry Rado sy Menja ary Tovo ny amboara

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Para Ivato, ny “Tournoi des cham­pions”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ ireo mpilalao efa nisalotra ny anaram-boninahitra maneran-tany. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy senior, lehilahy, ny ekipa nisy an-dry Rado sy Menja ary Tovo avy amin’ny CBT sy Fam mitambatra. Lasan-dry […]

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ireo mpilalao tonga namonjy ny fampivondronan’ny Barea Chan, omaly, tetsy Mahamasina, i Arohasina Andriamirado na i Dax. Nilaza ny tenany fa tombony lehibe ho an’ity ekipa nasionaly ity ny fifangaroan’ireo mpilalao zandriny vao hiantsehatra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ireo efa voky traikefa tahaka azy. Nambarany koa fa mbola vonona tsara […]

Handball – “IHF Trophy”: Firenena 5 hiady ho lohany

Hanomboka anio, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “IHF Trophy”, taranja handball, ho an’ny faritra faha-7. Fifaninanana ho an’ny sokajy cadette sy junior, sokajy vehivavy. Firenena 5 no hiady ho lohany amin’izany dia i Madagasikara, La Réunion, Comores, Seychelles ary i Tchad. Nambaran-dRaherijaona Clarisse Régina, filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball, ny […]