Auteur/autrice : Adnews

Vokatry ny hetsika natao : Zaza 400 000 eo sisa tsy nisitraka fatram-baksiny voalohany

Taorian’ny hetsika faobe manerana ny Nosy, nihena ny isan’ny zaza tsy vita vaksiny mihitsy (zero dose). Tao anatin’ny 12 volana nanaovana fanaraha-maso, tsy nisy tranga vaovao nateraky ny tsimokaretina polio intsony hita eto Madagasikara. «Raha nahatratra 1 200 000 ny isan’ ny zaza tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihi­tsy na daozy iray aza, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafiditra ao anatin’ny firenena tsara tsidihina i Madagasikara, araka ny lisitra navoakan’ny gazety boky Wanderlust Travel Magazine. Mahe­rin’ny 250 ny tetikasa notsarain’ny mpitsara manam-pahaizana amin’ ny fizahantany maharitra, ka anisan’ireo firenena 7 aty Afrika i Madagasikara. Ny tetikasa Kivalo Soa Honko no naroson’ny ONTM, miaraka amin’ny WWF sy ny Miara­kap, […]

IECD: Natsangana ny vovonana Tambatra

Nampahafantarina ny 23 mey teo ny vovonana Tam­ba­tra, ao amin’ny Ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana (IECD) eny Ambatoroka. Fia­raha-miasa amin’ny fikambanana Promes, manohana ny mpianatra manana bakalorea, sahirana amin’ny fianarana ambony ataony sy ny fianarana arakasa. Tafahaona nandritra io fotoana io, ny solontenan’ny orinasa eto Analamanga sy […]

LR Group-SESA: Fambolena indostrialy amina 10 000 ha

Vita sonia ny 25 mey teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), notarihin-dRazanamahefa Tahian’Ny Avo, sy ny orinasa israelianina LR Group, nosoloin’i Ami Lustig tena. Hapetraka ny ivontoeram-pambolena « Agro­pole », mirefy 5 000 ha, hambolena vary, sy 5 000 ha hafa hamokarana katsaka. Teknolojia mahaleo tena hiaka farany no […]