Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Handray anjara amin’ny fihaonambe Dubaï Business Forum ny 27-29 mey, any Dubaï, Emirats Arabo mitambatra, ny delegasiona malagasy. Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo mitambatra. Hasongadina ny fahafaha-mampiasa vola amin’ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny […]

Fadin-tseranana : Mahomby tanteraka ny fitiliana ataon’ny alika

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany faharoa, ho an’ny Borigady ho an’ny alika (Brigade canine) ao amin’ny Fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy (DGD). Ahitana alika miisa 7 ity andiany ity, miaraka amin’ny mpibaiko sy mpitarika roa avy. Karazany telo ny fahaiza-manao manokana niofanana, ny fitiliana sy famantarana anaty valizy […]

Banky Foiben’i Madagasikara : Hanamora ny fandoavam-bola ny e-Ariary

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapan’ny tanàna, omaly, ny e-Ariary. Fandoavam-bola vaovao niomerika ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanenana ny fikirakirana vola taratasy sy vy eto Madagasikara. Tanterahina ao anatin’ny 10 volana ny andrana hampiasana ny e-Ariary hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. […]

Fandaharanasa Afafi Centre : Nitombo 138% ny vokatra

Nahomby ny fanohanan’ny tetikasa Afafi Centre seha-pamokarana maro mahakasika faritra telo. Eo am-pandinihana ny andiany faharoa ankehitriny. Nanomboka ny taona 2020 hatramin’ny 2025 ny tetikasa Afafi Centre. Mitentina 12 tapitrisa euros ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina, tamin’ny alalan’ny Fed andiany faha-11. Manatanteraka azy ny Birao tantsoroka ho an’ny fiaraha-miasa […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 30 sy 31 mey ary ny 1 jona izao, any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach-volley, ho an’ny taona 2025. Eny amin’ny torapasika, eo ampitan’ny Hopitaly Be no hanaovana ny fifaninanana mandritra ny 3 andro. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny taranja Jiu-jitsu, mandritra ny […]