Auteur/autrice : Adnews

Fanabeazana ara-pananahana: Mila miofana koa ny ray aman-dreny

Nisy ny fifanakalozana niarahana tamin’ny fiarahamonina, mpitarika fiangonana, mpisehatra, tanora eny anivon’ny fikambanana momba ny fanabeazana ara-pananahana feno ahafahana mitady vahaolana iraisana nefa manaja ny finoan’ny tsirairay nokarakarain’ny Forum génération égalité (FGE), omaly, teny Besarety. Teo koa ny adisisika maro efa natao ary nisy ny vokatra azo satria efa nandrisika […]

Fanamby enina ho an’ny fanjarian-tsakafo: Namolavola drafitrasa iraisana ny solombavambahoaka sy ny Hina

Fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fanatsarana ny fandrindrana ny asa amin’ny fanodinana ny vokatra no anisan’ny fanamby noraisin’i Madagasikara tany Paris nandritra ny N4G. Manana andraikitra hanara-maso ny fanatanterahana izany ny firaisamonim-pirenena sy ny solombavambahoaka ka namaritra paikady iraisana. Manoloana ny fanamby enina noraisin’i Mada­gasikara ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafo, […]

Resy lahatra ny Banky iraisam-pirenena: Mahomby ny fiahiana sosialy eto Madagasikara

Tetsy andaniny, naneho ny fahafaham-pony amin’ny ampa­han’ny zava-bita ny Banky iraisam-pirenena amin’ny fiahiana sosialy atao eto Madagasikara. “Matoa tonga eto maka traikefa ny firenena hafa, toa an’i Congo sy Kaomaoro, dia misy zava-bita tsara izany eto Mada­gasikara”, hoy ny avy ao amin’ny Banky iraisam-pirenena, Ravelosoa Rachelle Julia. Efa nizara traikefa […]

Rakotondrasoa Justine: Mpanasa lamba tonga mpandraharaha rehefa nikiry sy nahazo tohana

Tokantrano 1 300 000 no misitraka ny tetikasa Haratonaina manerana ny Nosy. Anisan’izany Rakotondrasoa Justine, mpanasa lamban’olona latsaka tao anaty fahasahiranana teo aloha kanefa tonga mpandraharaha amin’ny fiompiana sy fitaterana ankehitriny. Mitantara ny fikirizany izy niaraka tamin’ny tohana avy amin’ny fanjakana sy ny fiofanana entin’ny Fid izay mpanatanteraka eny ifotony. Renim-pianakaviana […]

TARATRY ny KANTO

Njakatiana, eny amin’ny Naturia Palm Ambohibao. Mandritra ilay hetsika “Fitsangantsan­ganana ho an’ny reny”, izay hatao ny tontolo andron’ ny 25 mey izao. Hitondra ireo hirany nahafantarana azy hatramin’izay i Njakatiana, satria nomanin’ny mpikarakara ho fanomezana noho ny fetin’ny reny ny seho. “Ny endrika marolafin’ny literatiora malagasy”. Io ny lohahevitra iompanan’ny […]