«Tsy tokony ho olan’i Madagasikara ny mahakasika ny tsy fahampian’ny angovo sy ny delestazy. Antony, fahatelo aty afrika isika amin’ny fananana ireo loharanom-pamokarana herinaratra. Manampy an’izay, manana ny angovo azo avy amin’ny herin’ny Masoandro sy ny rivotra i Madagasikara. Mbola manana isika ireo akora ilaina, mpamokatra ny angovo avy any […]
Auteur/autrice : Adnews
Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena : Homen’ny Bet 261, Zato tapitrisa Ar isan-taona
Notanterahina omaly maraina, teny amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny orinasa Bet 261 sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Voarakitra anatin’izany fifanarahana izany ny fanomezana vola 100 tapitrisa Ar isan-taona ho an’ity farany. Vola izay natokana indrindra hanampiana ny mpanao fanatanjahantena sy hampivelarana ny tanora malagasy. Nitarika […]
Raharimalala Josephine : “Tsy mahavelona intsony ny asa fivarotana voankazo”
Mandalo fotoan-tsarotra ny fihariana ara-barotra amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo miaina fahasarotana ny mpivarotra voankazo. Nilaza izy ireo fa nahitana fiakarana ny vidin’ny entana nefa ratsy ny vokatra amidy. Miaina vanim-potoana manahirana ny mpivarotra voankazo amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo nanaovana fanadihadiana mahakasika izany Raharimalala Josephine, mpivarotra voankazo iray eny Andoharanofotsy, omaly. […]
Famedev : Hanadihady ny fampahalalam-baovao
Marihina amin’ity 6 mey ity, maneran-tany, ny fanadihadiana sy fitrandrahana ny fomba fiasan’ny fampahalalam-baovao mifantoka amin’ny fanomezan-danja ny vehivavy “Projet mondial de monitorage des médias – Global Media Monitoring Project” (GMMP). Efa fanao isaky ny dimy taona izany ka anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika iray ity ny eo anivon’ny “Femmes […]
Harembakoka iraisam-pirenena : Mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny firenena 24 miofana
Mpilatsaka an-tsitrapo 37 avy amin’ny firenena 24 no nanaraka fiofanana momba ny fiarovana ny harembakoka nandritra ny herinandro, teny Antaninarenina. Niompana tamin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fiofanana. Hifarana anio, eny Antaninarenina, ny fiofanana niarahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo momba ny fiarovana ny harembakoka iraisam-pirenena manerana izao tontolo izao. Miompana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, izay […]




