Efa-dahy mpangalatra moto tra-tehaky ny polisim-pirenena eo anivon’ny CSP 5 Mahamasina, ny alahady 27 avrily teo. Moto roa sarona teny amin’izy ireo. Mpamaky trano voasambotry ny polisy teo am-pibatana vilany tetsy Ivandry, omaly maraina. Tsy afa-nandositra io mpandroba io ka nentina avy hatrany teny anivon’ny biraon’ny polisy. Ramatoa, 53 taona, […]
Auteur/autrice : Adnews
Tokantrano roa lasibatra : Roa lahy nitam-basy nandroba 1 450 000 Ar
Lelavola maherin’ny 1 tapitrisa lasan’ny jiolahy nitam-piadiana nandritra ny fanafihana tao amin’ny fokontany Besarety, kaominina Amparafaravola, ny alin’ny 26 aprily teo. Olon-dratsy roa lahy nitondra basy niditra an-keriny tao amin’ny trano roa samy hafa, tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Tsy nisy alaharo, nambanan’izy ireo fitaovam-piadiana ny tompon-trano. Nitaky ireo […]
Nodomin’ny kamiao: Raim-pianakaviana namoy ny ainy
Nandositra ny kamiao nahafaty olona tao Antetokely, Marovohitra, kaominina Sambaina, distrikan’i Manjakandriana, ny alahady 27 avrily teo. Voafaokan’io fiarabe ny raim-pianakaviana 41 taona, ny harivan’io andro io, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nipitika tamin’ny arabe, vaky ra ilay lasibatra. Nitsirara tamin’ny tany izy ka nitarika tamin’ny famohizany aina. Tsy afa-nialana […]
Famonoana an’i Tricha: adiny dimy taty aoriana, hita tao an-trano ny razana
Mampihoron-koditra ny zava-nanjo an’i Tricha, ilay zanaka vavin’ny mpihira Fandrama. Efa ora dimy taorian’ny namonoana azy vao hitan’ny fianakaviana tao an-trano ihany ny razana. Naolana, nofatorana tongotra aman-tanana, nokendaina sy nodarodarohana, santionany tamin’ny zava-doza niaretan-dRavao Marie Tricha, zanaky ny mpanakanto Fandrama, mialoha ny nahatapitra ny ainy. Ireo no tombana voalohany […]
Fandehanana any Allemagne: « Mila finiavana sy faharetana», hoy i Noeline Erica
Maro dia maro tokoa ireo Malagasy tanora lasa manohy ny fianarany sy ny fiainany any ivelany. Anisan’ireo firenena matetika handehanan’ireo tanora ankehitriny, ny any Allemagne. Milaza ny fiainany any an-toerana any, i Noeline Erica. Gazety Taratra (*): Afaka milaza ny momba anao ve, inona no naharisika anao ho any Allemagne? […]




