Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Homarihina eny Ankatso ny « Andro iraisam-pirenena » ho an’ny boky. Anio manomboka amin’ny 9 ora no hisesy ireo hetsika isan-karazany, eo amin’ny fiantsonan’ny fiara sy ao amin’ny amphithéatre EGS. Hahitana vakiboky an-kalamanjana, fampirantiana boky, atrikasa momba ny fanoratana, adihevitra iarahana amin’i Dama Mahaleo, hatramina fampisehoana iara­hana amin’i Ayam sy […]

Faribolana Sandratra Betafo: Amboaran-tononkalo « Ankaromiafina »

Misy, miaina ary mampi­aina ny literatiora ny sampan’ ny Faribolana Sandratra ao Betafo Antsirabe. Porofon’ izany, hisy hetsika izay hotontosain’izy ireo ny sabotsy 26 avrily izao, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny CGM Analakely. Antsan-tononkalo toy ny mahazatra, no sady famoahana ny am­boaran-tononkalo « Ankaro­mia­fina » […]

Andrarezin’ny hira malagasy: Hisy ny tsiahy ho an’i Rolland Raelison

Zoma 18 avrily, nanjombona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry tany amin’ny Nosy La Réunion i Rolland Raelison… Ho an’ny eto an-toerana, hisy ny fanomezam-boninahitra ho an’Andriamanitra sy tsiahy ho azy. Hanana endrika roa ny fandaharam-potoana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fahatsiarovana an’i Rolland Rae­lison, andrarezin’ny hira mala­gasy, nodimandry tany Tam­pon […]

Lazam-balala no betsaka: Kolontsaina tsy hita hantenaina ?

Midadasika i Madagasikara. Manana kolontsaina maro. Ao ireo tazana ny vokatra hoen­tiny. Tsy vitsy ireo tafajanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny. Hatramin’izao, mbola farahidiny ny Malagasy. Tsy mandray anjara amin’ny fiainany ireo kolontsaina ambara fa harenany ? Manan-karena kolontsaina, hono, ny Malagasy ! Kara­zan-kira sy dihy maro, hono, no hita […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny fifidianana ireo ankizy, ao amin’ny sokajin-taona 15 taona no ho midina. Izany dia tafiditra ao anatin’ilay fandaharanasa Talent Development Scheme (TDS). Ny teknisianina avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena (Fifa) sy ny eo anivon’ny FMF no hisahana izany. Mety […]