Nanambara i Hervé Arsène Malabary, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra monina any Frantsa, ny alarobia 26 marsa lasa teo, nandritra ilay “Match de gala” natao tetsy Maha-masina, fa vonona ny tenany hizara ny traikefany hampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara. Raha tsiahivina, mpilalao novolavolaina tao amin’ny AC Sotena Mahajanga i […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina any Vatomandry, ny 18 hatramin’ ny 21 avrily ho avy izao, ny hetsika « Dola Beach », izay karakarain’ny orinasa Yas Madagasikara. Hisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena maro any an-toerana. Ao anatin’izany ny rugby beach, ny beach soccer, ny taranja tolona. Hotanterahina ny 15 hatramin’ny 20 avrily ho avy izao, any Espagne, […]
Handball – Mada Jeunes 2025: Hahemotra amin’ny fialantsasatra lehibe
Nambaran’ny Federasionina malagasin’ny handball, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, fa hahemotra amin’ ny fialantsasatra lehibe ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny. Tsy nanambara ny anton’ity fanemorana ity izy ireo. Raha tsiahivina, tokony hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 27 avrily ho avy izao izany ary ny ligin’i Bongolava no voatondro hampiantrano azy. […]
Manampahaizan’ny Caf : Hitsirika ny bozaka etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina
Nigadona teny Ivato, afakomaly alina, ny manampahaizana amin’ny resaka bozaka, avy amin’ny Caf. Nafaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, manokana. Hiala nenina! Tsy kivy mitady vahaolana ho an’ ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FMF, […]
Randriambao Edmond : Voahitsakitsaka ny soatoavina malagasy
“Very tanteraka ny hasina sy soatoavina eo amin’ny samy Malagasy ankehitriny”, hoy Randriambao Edmond, mpiasan’ny Fahasalamana efa misotro ronono. Mananika ny faha-90 taona izy ankehitriny. Tsy misy intsony ny fifampitsinjovana sy fandalinana ny maha iray tampo amin’izao fotoana, raha ny fanazavany. «Mifanary velon’aina, eny misy hatramin’ny tsy mifandevi-maty isika noho […]




