Auteur/autrice : Adnews

Fihaonana an-tampon’ny COI : Hamafisina ny fanadiovana ny tanàna

Andro isaina sisa: 23 andro, ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony faha-V eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), izay hatao eny amin’ny CCI Ivato, amin’ny 24 avrily ho avy izao. Mba handrindrana ny hetsika ilaina amin’ny fahombiazan’izany, nisy ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny ben’ny Tanànan’ny […]

Tetikasa Mionjo – MFFT : Hampihena sy hanafoana ny ady tany ny Plof

Miisa 13 ireo kaominina nisitraka ny Plof ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, raha samy valo avy kosa ireo nahazo izany ho an’ny faritra Anosy sy ny any Androy. Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Mionjo miaraka amin’ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Na­molavola izany ny eo anivon’ny Sampandraharahan’ny fandrefesan-tany (DST) ao […]

Fitokonan’ny mpivarotra : Lehilahy iray voasambotra

Nitohy hatramin’ny omaly maraina ny fitokonana sy fidinana an-dalambe nataon’ireo mpivarotra amoron-dalana tetsy Analakely, raha toa ka efa nanomboka ny zoma maraina izany. Fitokonana mandà ny fanesorana sy famindrana toerana ataon’ny kaominina azy ireo. Nisy ny tora-bato nataon’ireo mpanao fihetsiketsehana, fitsofana kiririoka ary fandorana kodiarana teny an-toerana. Niatrana teny an-toerana […]

Famaranana ny volana Ramadany : Nampiray ny mpino silamo ny minisitra Moustapha Abdulah

Tsy mbola nisy ny fotoana nahafahan’ny mpino silamo niara-namarana ny volan’ny Ramadany. Tanteraka anefa izany, omaly, tetsy Mahamasina. Nitarika izany ny minisitra Marson Moustapha Abdulah. Nifarana ny volana ramadany ho an’ny mpino silamo. Nanamarika izany ny teto Madagasikara. Nisy ny hetsika maro notanterahina manerana ny Nosy. Nisantarana ny fampitsaharana ny […]

INDRAY MIJERY

Ezaka vitan’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fanatsarana ny fahasalaman’ny reny ny fanomezana azy ireo fanampin-tsakafo sy tohana maro samihafa. Izany dia ahafahana manome tanjaka sy herijika manokana ny Vehivavy mitondra vohoka sy hanampy amin’ny fisorohana ireo aretina mety hahazo toy ny fahaverezan-dra be loatra eo am-piterahana… Nilaza […]