Mpisoloky roa lahy voasambotry ny polisy teny Ampefiloha, afakomaly. Soloin’izy roa lahy finday tsy mandeha intsony ny entana omeny ny mpividy aorian’ny fifampivarotana. Nametraka fitarainana ny lasibatra ka tratra izy roa lahy. Nogiazana ny finday fanaovan’izy ireo io asa ratsy io. Raim-pianakaviana nanolana ny zanany vavy vao 11 taona tratran’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Anosizato Atsinanana : Jiolahy telo maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena ny jiolahy telo mpanao asa ratsy teny Anosizato Atsinanana, ny alahady 30 marsa teo. Manoloana ny tsy fandriampahalemana mateti-pitranga sy mampitaraina ny mponina eny an-toerana, nanao hetsika manokana ny polisy eo anivon’ny SAG. Nanao fisafoana amin’ny alina ny ekipan’izy ireo ary nanao fanamiana sivily teny amin’iny faritra […]
Tsy fandriampahalemana: Fasana telo novakin’ny jiolahy
Noraofin’ny jiolahy avokoa ny taolambalo tao anatin’ny fasana roa novakin’izy ireo tao amin’ny fokontany Antanifotsy, kaominina Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, ny alin’ny alahady 30 marsa teo. Fasana efa nidanadana no hitan’ny mpandalo. Nampandre ny tomponandraikitra sy ny tompom-pasana ity farany. Nojerena ny tao anatin’ny fasana, kinanjo efa nokorontanin’ireo tsy valahara. Naka […]
Nidona tamin’ny kamiao : Mpitondra moto maty tsy tra-drano
Maty teo no ho eo ny mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny sampanan-dalana Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, ny sabotsy 30 marsa teo. Iray hafa naratra. Vaky loha, namoy ny ainy ny lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny RN1, sampanan-dalana Ambodiafontsy, Ampitatafika, ny sabotsy 29 marsa teo tamin’ny 11 ora. Nanao taingin-droa, […]




