Auteur/autrice : Adnews

« Bapampaglady Be »: Nampiakatra avo ny lentan’ny fampisehoana i Rossy

Seho roa, hotsaroan’ireo niaina azy mandrakizay ny “Bapampaglady Be”. Mbola ilay Rossy matihanina amin’ny mozika, manao fanamby goavana sy avo lenta no nitarika ny namany nahatontosa seho avo lenta. Sehatra intelo mihantoana, manerana ny ilan’ny lapa. “Ecran” nanemitra ny sehatra efa ho 15 metatra, izay vao mainka nanasonga­dina ireo mpanakanto. […]

FANTINA sy FINTINA

Notokanan’ny filohan’ny Repoblika tao Mora­manga, ny Akany Fiadanantsoa handraisana an-tanana ireo mpiady tia Tanindrazana, akanga sisa nanamborana sy ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona. Hisy fizaham-pahasalamana sy fizarana fanafody maimaimpoana ho azy ireo, ao an-toerana, toy ny fitsaboana ny areti-maso sy ny fizarana solomaso. Notontosaina teo amin’ny fasan’ny Maherifo Ambalankararaina, […]

Praiminisitra Ntsay Christian :”Tsy maintsy averina ny fandriampahalemana”

“Tsy maintsy averina ny filaminana satria zava-dehibe ho an’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka izany.” Io no namintinan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Ambo­sitra, ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana notarihiny niaraka tamin’ny OMC-Nat ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry any an-toerana, amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana any amin’ ny faritra Amoron’i Mania, anatin’ny […]

Asa… mahamarin-toerana

  Fahamarinan-toerana politika? Lazain’ny mpandinika sasany fa misy sy iainana izany amin’izao. Manana ny maro eny anivon’ny parlemanta, ohatra, ny mpitondra. Eny, hatrany ifotony aza izany, raha jerena ny fifandanjan-kery amin’ireo olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Tsy misy na tsy atahorana ny asa fampandrosoana amin’ izany? Eny, na tsy mitsaha-mitabataba amin’ny […]

Filoha Rajoelina Andry : “Zo sy adidy ny miady hampandroso an’i Madagasikara”

Nampita hafatra ho an’ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fanamarihana sy fahatsiarovana ny 29 marsa. Navoitrany tamin’izany ny tokony hanehoana ny fitiavan-tanindrazana. “Tsy avelantsika ho ra­raka an-tany ny ran’ ireo Malagasy nito­lona ho an’ny fanavotana sy fahafahana ho an’ny firenena. Mitaky adidy entanin’ny fitiavan-tanindrazana ho antsika taranaka mifandimby […]