Auteur/autrice : Adnews

Fahatongavan’i Macron eto Madagasikara: Mitaky ny hamotsorana an-dRafanoharana ny loholona frantsay

Nandefa taratasy tany amin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny loholona Christophe-Andre Frass. Anisan’ny notakiny ny hifampidinihana ny momba ny Raharaha Rafanoharana Paul. Nivoitra tamin’ny taratasy ny fangatahan’ity loholona ity ny hifampidinihan’ny mpitondra eo amin’ny firenena roa tonta, amin’ny hitsidihan’ny filoha Emmanuel Macron eto Madagasikara. Nambarany tamin’izany koa ny tokony hamotsorana […]

Rabevahiny Elia : “Mbola misy mila hahitsy ny tantara momba ny 29 marsa 1947”

Hatramin’izao, mbola misy lafiny tsy mampitovy hevitra be ihany ny amin’ny Raharaha 29 marsa 1947. Inona no marina? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Inona ny marina momba ny Raharaha 29 marsa 1947? Rabevahiny Elia (-): Farafaharatsiny, misy filaza roa samy hafa. […]

TARATRY ny KANTO

Maro ny mahay? Saingy, hatramin’izao, mbola hasarotin’ny sasany hatrany ny famaritana ny hoe: «mahay». Izy io ve tsy azo ampilaharina amin’ny teny mifanohitra amin’ny tahaka ny hoe «vendrana», «donto», «tsy nandia varavaran-tsekoly»… Amin’izay tonga dia hita ho azy ny «mahay». Mahavariana, man­tsy, fa nanjary nizara be dia be ny hevitry […]

“Fanambin’i Rijakely” ; Tantara an-tsary mahatsikaiky, hanentanana tanora

Vokatra vaovao hanampy ireo efa nivoaka taloha. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fivoahan’ny “Fanambin’i Rijakely”. Boky tantara an-tsary, sanganasan’i Rindra Razafindrabe na i Riri izy ity, izay navoa­kan’ny edisiona Hay Tsingory. Anatin’ny sokajy tantara mahatsikaiky, saingy miresaka ny zava-nisy marina eto Madagasikara. Nosafidiana manokana ny sary mainty sy fotsy, […]