Tontosa ny herinandro lasa teo ny Formation en accompagnement technique des entrepreneurs ho an’ny mpiasa eo ambany fifehezan’ny fitaleavana jeneralin’ny fampiroboroboana ny fampananana asa, eo anivon’ny minisiteran’ny Asa ny fampananana asa ary ny asam-panjakana. Fiaraha-miasa tamin’ny Iscam Business School. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny “Convention de partenariat” nisy teo amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Faritra Anosy sy Androy : Traboina 1 533 nizarana fanampiana
Nitsidika ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Jude any amin’ny faritra Atsimo ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie. Tonga tany Ambovombe, Amboasary ary Taolagnaro ny ekipa iraky ny fanjakana nitondra fanampiana hoenti-miarina ho an’ireo traboina. Vary 12kg mahery isan-tokantrano, voamaina sy menaka no natolotra. Eo koa ny kojakoja ho an’ny […]
Fahasalamana: 26% ny aretina dia avy amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana
Nankatoavina ny drafitrasam-pirenena, izay nasiam-panavaozana, momba ny paikady mifandraika amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana no miara-miasa amin’ny ady amin’ny aretina vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny akora simika ary ny fahalotoan’ny rivotra. Betsaka ny aretina mitranga vokatry ny fahasimban’ny tontolo […]
VAOVAO TAMBATRA
Vonona hamatsy vola hanarenana ny tetezan’Ifasy sy Mahavavy (RN6) ny Banky iraisam-pirenena. Eo am-pandinihana ny fomba hanatanterahana azy, ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny Antokondraharaha misahana ny lalana (Agence Routière), ny orinasa Colas ary ny Banky iraisam-pirenena. Anisan’ireo firenena telo ho fitaratra i Madagasikara amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Miaraka […]
Marojejy sy Masoala: Averina ho vakoka iraisam-pirenena ny ala
Vakoka iraisam-pirenena tandindomin-doza ny ala arovana any Marojejy sy Masoala, ny taona 2010, satria nirongatra ny fitrandrahana hazo sarobidy. Manoloana ireo, tonga tany an-toerana, ny 18 marsa teo, ny Malagasy sy vahiny manam-pahaizana isan-tsokajiny, nijery manokana ny fomba hamerenana azy ho vakoka iraisam-pirenena indray. Notsidihina sady notombanana ny zava-misy any […]




