Nampahafantarina tany amin’ny fokontany Antanambao Andranolava, distrika Marovoay, ny fitaovana fanetsana manara-penitra, ny 24 febroary teo. Manamora ny fanetsana vary sy manatsara ny fomba fambolena ity fitaovana ity. Sady tsy mahafantatra azy ny ankamaroan’ny tantsaha, indrindra ny any ambanivohitra sy lavi-toerana. Namolavola azy ny Afafi, miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy […]
Auteur/autrice : Adnews
Taolagnaro-Vaingaindrano: Tsy maintsy vitaina ny lalana RN12
Toky nomen’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny tsy maintsy hamitana ny asa amin’ny lalam-pirenena faha-12, mampitohy an’i Taolagnaro sy Vangaindrano. Antony, efa fantatra daholo ny mpamatsy vola hanatanterahana azy. Tafiditra ao anatin’ny « Lalan’ny masoandro », napetraky ny filoha Rajoelina Andry, ny lalam-pirenena faha-12A (Taolagnaro-Vangaindrano). Mirefy 210 km ny lalana hamboarina hatao godirao […]
Olan’ny famatsian-drano: Manomboka amin’ny 2 000 Ar ny vola lanin’ny tokantrano
Mahatratra aman-tapitrisa isan-taona ny vola lany ho an’ireo mividy na mampantsaka rano. Mananosarotra ny fitantanam-bola ary voatery mandefitra ny filana madinika ho an’ny isan-tokantrano. Mavesatra. Tafiditra amin’ny andavanandron’ny mponina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny olan’ny famatsian-drano. Voatery mividy rano sy mampantsaka ny ankamaroan’ireo tokantrano mba hisitrahana izany. Mitombo ny […]
TARATRY ny KANTO
Tsy ny hira ihany no ao anatin’ny zavakanto fa maro. Iray amin’ireny ny asa tanana. Io ilay ahitana ny « indro kely ». Ao no « maha tafita ». Mampiavaka ny aingampanahy ihany koa. Manana ny maha izy azy ny asa tanana. Tsy voavidy na voasanda vola ny aingampanahy nenti-namorona azy ireny. Takona avokoa, […]
Fetra Rakotondrasoava : Mila fahamendrehana ny fanaovana Facebook
“Tokony hanamarina ny vaovao ho zarainy sy ny antom-pisiany ary mamantatra ny loharano nipoiran’ny vaovao ny mpampiasa tambajotran-tserasera alohan’ny hanapariahany izany”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy kolontsaina (MSK), Fetra Rakotondrasoa, nandritra ny adihevitra tamina fandaharana tanaty fahitalavitra tsy miankina iray, afakomaly. Mivaona amin’ny tokony ho izy ary […]




