Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Tsy maintsy hovitaina amin’ity taona 2025 ity ny arabe migodana ampahany voalohany, Antana­narivo-Anjozorobe, mirefy 80 km. Mahatratra 24% ny fandrosoan’ny asa ankehitriny. Nankatoavina ny fampiasam-bolam-panjakana hanatanterahana ireo. Eo am-pamolavolana ny ampahany faharoa, Anjozorobe-Toamasina amin’izao fotoana izao. Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala (JIF) anio 21 marsa. Any amin’ny Valanjavaboahary Sisaony Ambatofotsy, […]

Eto Madagasikara : Ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka

Maherin’ny 40% ny zaza latsaky ny dimy taona no miaina anatin’ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto Madagasikara. «Voakasik’ izany ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana, noho izy ireo mazàna lasibatry ny loza voajanahary», hoy ny lehiben’ny sampandraharaha fanjohiana sy fanaovana tombana eo anivon’ny Foibem-pirenena fanjarian-tsakafo (ONN), Ra­harijaona Andriamihaja, oma­ly. Manana […]

Asa Avotra Mirindra faha-5 : Tantsaha 14 000 nisitraka tohana

Tontosa tao anatin’ny 40 andro ny andiana asa fahadimy amin’ny tetikasa «Asa Avotra Mirindra». Voakasik’izany ny faritra Analamanga, nanomboka ny 13 novambra 2024 hatramin’ny 7 febroary 2025. Miisa 28 ny kaominina nisitraka ny tetikasa ao anatin’ny distrika Anjozorobe, Ankazobe ary Manjakandriana. Natao hanampiana amin’ny famokarana, ny fihariana ary hanatsarana ny […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny fiofanana FETP Frontline, hanamafisana ny traikefa ananan’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fiatrehana sy fisorohana ny valanaretina. Eo koa ny fanatsarana ny fandrindrana ny asa. Ilaina ny paikady mirindra sy fanaraha-maso hentitra hanatsarana ny fitsaboana sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Notanterahina tao Farafangana, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana ireo […]