Tratry ny aretina “anevrisme fusiforme” amin’izao fotoana izao, Randriamamonjy Fanilo, zanak’i Torcelin Randriamamonjy, mpanao gazety misahana ny fanatanjahantena ato amin’ny Gazety Taratra. Misy fibontsinana noho ny ra mivaingana ny lalandra ao amin’ny lohany havia, araka ny “scanner” natao taminy. Naiditra teny amin’ny hopitaly miaramila Homi, ny 3 marsa lasa teo, […]
Auteur/autrice : Adnews
Fahasalamana : Notokanana ny Maison des infirmiers
Nanetriketrika ny fitokanana ny Maison des infirmiers, omaly, tetsy amin’ny INSPC Mahamasina. Mamaha olana maro eo amin’ny fiainan’ny fianakaviamben’ny infirmier ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Nanofa trano ny birao hatramin’izay, mahaleo tena izy ankehitriny. Misy ihany koa ny trano azo ivantanan’ireo avy lavitra ao amin’ity tranon’ny infirmier ity. Maro ny ezaka natao […]
Fanadiovana an’Antananarivo: Nentanina ny mponina amin’ny hetsika “Zéro plastique”
Fihetsika isarihana ny sain’ny rehetra ary hanairana ny isam-batan’olona no nataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra niaraka tamin’ny fikambanana skoto sy ny mpanabe tanora, omaly, teto Antananarivo, nandritra ny hetsika “Zéro plastique”. “Zéro Plastique” no lohahevitra nentina nandritra ny fanadiovana tamin’ireo toerana maro, nanangonana karazana plastika nanentsina ny lakandrano eto Antananarivo. Fokontany […]
TARATRY ny KANTO
Farakely etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela indray tsy nifamotoana tao amin’ity tokotanin’ny mozika ity i Farakely sy ny mpankafy azy. Anio amin’ny 8 ora sy sasany indray ny fotoana hizarany ny “Tiako ianareo”. Hiverenana avokoa ireo hira nanamarika ny taona maro tanaty mozika ho an’i Farakely. “Improludik”. Atrikasa iray […]
Fanabeazana sy fitaizana: Ny fahendrena tsy mety lany andro
Antony iray miteraka fifandirana na fifandonana, matetika, eo amin’ny tanora sy ny lehibe ny fahendrena. « Ny anareo, efa lany andro », hoy ny tanora. Ho an’ny lehibe (olon-dehibe): « ny fahendrena tsy mety lany andro ». Hoy ny Malagasy: « ny mandrora mitsilany, mahavoa tena ». Fahendrena mety ho lany andro? Tahaka izany koa ny: […]




